Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2021

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2021

Miverina indray ireo voromaherimpaty ao Pokhara

Na eo aza ny fihenan'ny isan'ny voromaherimpaty manerana an'i Azia Atsimo dia tafarina indray ireo vorona mpihaza tandindonin-doza any Nepal noho ny lalàna henjana kokoa sy ny tombokasa ataon'ny vondrom-piarahamonina.

Flamingos an'arivony hita faty tao Anatolia Afovoany

Isantaona, rehefa volana Martsa, an'arivony maro ireo flamingos no mifindra monina mankao amin'ny atsimon'ny Farihy Tuz, nahatonga azy ho voaosotra anarana ho “paradisan'ny flamingo

Lazain'ireo mpanorina tanàna hoe maty ny vatohara ao amin'ny Helodrano Indiàna any St. Vincent. Mifanohitra amin'izay no asehon'ireto sary ireto

"Izaho vavolombelon'ny fitsiriana indray teo amin'ireo vatohara elkhorn tany amin'ireo faritra manandanja ao amin'ilay helodrano. Alaivo sary ao an-tsaina ny mety ho azao atao raha toa isika tena mametraka tokoa ny ezaka araham-piniavana ataontsika, na tsia. Tsy vahaolana ny haran-dranomasina voatrolombelona."

Nanao fihetsiketsehana manoloana ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Harena Voajanahary ao Azerbaijan ireo mpiaro ny tontolo iainana

Nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Minisiteran'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary ao Baku ny mpiaro ny tontolo iainana, nitanisa ny fandringanana ala mitohy sy ny fifanarahana fampanofana maharitra ny tany misy ala amin'ireo mpihazona tsy miankina izy ireo.

Horohorontany tany Iran re hatrany Dubai

(Lahatsoratra tamin'ny volana Septambra 2008) Re hatrany Dubai sy tany amin'ny firenena hafa ao amin'ny Emira Arabo Mitambatra ny horohorontany tany Iran, nahatonga ireo mpiasa birao sy mponina an'arivony tao anatin'ny tranobe misy rihana maro hivoaka ho eny an-dalambe, hoy ny bilaogera. Namely teo akaikin'i Bandar Abbas ilay horohorontany manana...

Niteraka resabe ny fipoahana tao amin'ny ranomasina Caspienne

Nahasarika ny sain'izao tontolo izao ny fipoahana tamin'ny 4 Jolay tao amin'ny ranomasina Caspienne. Ny volkano fotaka tao ambany rano no nahatonga ny fipoahana raha ny filazan'ny tompon'andraikitra. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Elsa, ny tafiotra goavana voalohany ho an'ny vanimpotoanan'ny taona 2021, mamely an'i Karaiba

Miaraka amin'ny fiakaran'ny rano tampoka, nt hazo tapakan ny faharavan'ny trano sy ireo toeram-ponenana mijoalajoala, tabataba mangeroka no entin'i Elsa manambara ny fahatongavan'ny vanimpotoanan'ny tafiotra amin'ity taona ity

Manambara ny fotoana hanalefahana sy hanariana ny rano radioaktifa avy amin'ny orinasa Fukushima i Japana

Misy fiantraikany lehibe ho an'ireo vondrom-piarahamonina mpanjono manamorona ny morontsirak'i Fukushima ny fanapahan-kevitra famoahana rano maloto.