Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2015
Culebra, Nosin'i Pôrtô Rikô: 135 Taona Nitolomana Sy Nandresena
Mankalaza ny 40 taona taorian'ny nandroahan'ny vahoakan'i Culebra ny Navy Amerikana sy ny 135 taona nananganana ilay nosy kaominina ny horonantsary fanadihadiana fohy nataon'ny gazety mpiseho isam-bolana, Diálogo.
LAHATSARY: Herisetran'ny Polisy Libaney Tamin'ireo Mpanao Fihetsiketsehana “Maimbo Ianareo (You Stink)”
Niely manerana ny media sosialy ireo lahatsary mampiseho ny herisetran'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Libanona. Tokony hahazo daroka sy baomba mandatsa-dranomaso ve ny fihetsiketsehana manohitra ny fivangonan'ny fako sy ny kolikolin'ny governemanta?
Fahaiza-mamorona Nentin'ny Libaney Nanohitra Ny Olan'ny Fako
Mampiseho fahaiza-mamorona sy mivazivazy ry zareo Libaney amin'ny fomba fanaovany hetsi-panoherana. Mihoatra ny 20.000 ny olona nidina an'arabe tao Beirut tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny nilanja takelaka isankarazany
Indizena Mpiompy Diera, Tezitra Amin'ny Goavan'ny Solika Ao Siberia
Miatrika sazy an-tranomaizina roa taona i Sergey Kechimov, nampangaina ho nandrahona ho faty ireo mpiasa roa avy amin'ny orinasa mpitrandraka solika. Iray amin'ireo teratany Khanty sisa tavela miaina eny akaikin'ny Farihy 'masina' Imlor izy.
“Nahoana No Tian'ny Governemanta Hosimbàna Aminà Toby Famokarana Herinaratra Mandeha Amin'ny Arintany i Krabi ?”
Mandroso hevitra hanorenana toby ahodina amin'ny arintany ao Krabi ny governemanta mba hampitomboana ny famatsiana herinaratra ao an-toerana, nefa koa rahona mitatao hamotika ny fizahantany malaza sy ny tontolo iainana arovana ao izy io.
Trondro maty an-drano ireo tao Tianjin ireo raha amin'ny filazana ofisialy, hoy ny fiheveran'ny mpiserasera
Herinandro taorian'ny fipoahana mahatsiravina tao amin'ny trano fitehirizan'entana shimika izay namoizana ain'olona 116 tao Tianjin, Shina, trondro an'arivony maty no nipoitra tamin'ny renirano tsy lavitry ny toerana nisy ny fipoahana.
Mitondra An-Tapitrisa Ho An'ireo Mpamboly Any Afovoan'i Nepal Ny Vakan'i Bouddha
Vaovao azo antoka fa mahafaly ny Bodista sy ny mpandinika zavamaniry maneran-tany, voalaza fa karazan-kazo vaovao ny Ziziphus budhensis, hazo Nepale malaza amin'ny fampiasana azy hanaovana vakam-pivavahana Bodista.
Ahoana no nahafahan'ny olona 1500 nanakatona vonjimaika ny toby fitrandrahana ao Eoropa mpandoto amin'ny etona CO2 indrindra
Mpandray anjara iray avy namonjy ny hetsika nilaza fa sambany teo amin'ny fiainany izao ary nahatsiaro ho mahazo hery tanteraka izy.
Manamatroka Ny Rano Mangatsakatsak'i Karaiba Ny Ahidrano Sargasse
Miangona be eo amin'ny moron-dranomasin'i Karaiba ireo ahidrano volontany matroka izay antsoina hoe Sargasse-n-dranomasina. Mpitsoraka an-drano iray no mitondra antsika ho any ambanin'ilay ahidrano matevina.
Hiresaka Momba ny Elefanta Ahiana ho Lany Tamingana
"Maro dia maro tokoa ny olona eto amin'izao tontolo izao no tia elefanta saingy tsy mahalala fa ao anaty krizy ny elefanta"