Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Janoary, 2011
Tontolo Arabo: “Atsaharo ny mitomany ho an'i Sodàna”
Nametraka ny firenena ho eo ambanin'ny fanarahamason'ny tontolon'ny twitter Arabo ny fitsapan-kevi-bahoaka tany Sodàna mikasika ny fahaleovan-tena androany. Hatrany Arabia Saodita ka hatrany Palestina dia mandefa tweets mikasika ny firaisan'i Sodàna, ny fisarahana sy ny harena ny Arabo.
Iran: Liona 14 novonoina tany amin'ny saha fiarovam-biby tany Tehran
Tezitra sy malahelo ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny famonoana liona 14 tany amin'ny saha fiarovam-biby any Tehran. Nitatitra ny media Iraniana fa novonoina ireto liona ireto satria nahitana aretina entina...
Rosia: Tetikasa Ushahidi mitatitra ny olan'ny Ririnina Rosiana
“Sarintanim-panampiana ho an'ny Ririnina Rosiana” (Holoda.info), tetikasa iray vaovao ho fitrandraham-baovao avy eny ifotony, no natomboka napetraka tao Rosia mba hitaterana ny olan'ny vahoaka tratry ny hatsiaka mamirifitry. Ny masoivohom-baovao ...
Amerika Latina : tamberina ny taona 2010
Tamin'ny 2010 no nisy horohorontany goavana indrindra namely an'i Chili, filoham-pirenena nandray ny asany, ny filoha any Argentine teo aloha nodimandry tampoka, ny loka Nobel momba ny literatiora nomena ilay...
Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy
Satria voafidy ny tarehin-tsoratra 暑 (sho) izay midika 'mamay na hafanana' hanehoana ny taona 2010 tamin'ny fankalazàna isan-taona [en] tao Kyoto, ndeha isika hijery fantina "lohahevitra mamay" izay norakofan'ny Global Voices tamin'ity taona ity.
Meksika: Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eo amin'ny toerana masina ny vahoaka vazimba
Manameloka ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Kanadiana ny vahoaka vazimba Huichol avy any Mexico izay mananontanona ny iray amin'ireo toerana masin'izy ireo ary izany, raha fenoina, dia mety handindona ny fahasalamany sy ny famatsiana rano azy ireo.
Jordania: Fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter mikasika ny fisondrotan'ny Solika Sivy Isan-Jato
Nanambara ny fitsaharan'ny fiakaram-bidin'ny solika nandritra ny faran'ny taona ny governemanta Jordaniana. Ny vidin'ny entona fandrehitra, raha alaina ho ohatra ny benzine, dia niakatra 9 isan-jato, raha 6 isan-jato kosa ho an'ny vidin'ny gazole sy ny kerosene. Maro ny Jordaniana no naneho ny tsy hafalian-dry zareo tamin'ny alalan'ny esoeso manafintohina sy mahadrohadro.