Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna...

Shina: Sondro-bidy sy zaridaina an-tafontrano

Ny sondrom-bidy tao Shina dia nanosika ireo mpivarotra hitady ny metimety kokoa any Hong Kong, nefa hitondra mankany amin'ny fanjifàna maharitra ve ry zareo amin'izany?

Haiti: Horohorontany, Kôlera; Tomas koa?

Navarina sokajy i Tomas, izay narahin'ny faritra maso amin'ny maha tafiodrivotra tropikaly talohan'ny nivoarany ho rivodoza mahery sokajy faha-2 azy ka nandrava izay hitsin'ny diany tamin'ny namakivakiany ny nosy madinika maro. Niverina tamin'ny heriny teo aloha izy rehefa nitodi-doha nankany Haiti mbola miavotra noho ilay horohorontany nitranga ny 12 Janoary...

Madagasikara: Voasingotra amin'ny fanondranana andramena tsy ara-dalàna ny Filoha

Indonezia: Horohorontany, Tsunami, Fipoahana Volokano ao anatin'ny 48 ora

Tamin'ity herinandro ity, tratran'ny tsy nampoizina i Indonezia rehefa nifanesy nianjady tamin'ny nosy ny horohorontany, tsunami sy ny fipoahana volokano tao anatin'ny 48 ora latsaka monja. Eritreretina ho mihoatra ny 500 ny maty ary fianakaviana an'arivony maro no mila famonjena maika.