Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2008
Shina : Fanovana ny toetr'andro
Nampiasa orana vitan'olombelona ny governemanta ao Beijing tamin'ny lalao olympika mba hahatsara ny andro tamin'ny lanonam-panokafana sy famaranana ny lalao. Tokony nilaza mialoha tamin'ny mponina ny governemanta, hoy i Lui Li rehetra nanana hevitra hanova ny toetr'andro tahaka izany.
Ejypta : Nirehitra ny tranon'ny antenimiera
Hatairana ny an'ireo mpitoraka blaogy avy ao Ejypta noho ny firehetan‘ny tranon'ny antenimiera any an-toerana androany maraina. Na dia mbola eo ampiandrasana ny filazana izay antony nampirehitra ity tranobe nahorina tamin'ny taon-jato faha-19 ity aza ireo mpitoraka blaogy dia maresaka aoka izany … ary manao ny fanamarihan'izy ireo. Nitantara amin'ny...
Fiji: Mamely mafy ilay “fananganana Fiji tsara kokoa” ireo mpitoraka blaogy
Komity iray najoron'ny governemantan'i Fiji no nandroso vinavina misy teboka 11 ho fanampiny ao amin'ny Lalampanorenan'ity nosy ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika ity sy “hananganana firenena iray tsy misy fanavahana ara-poko, mavitrika sy mivondrona ara-kolotsaina, tsara tantana sy tena democratika ao ”. Ity vinavina misy pejy 75 ity, mitondra ny lohateny...
Libanona: Doro ala sy fiakaran'ny maripàna
Efa an-taonany maro izao no ahitana doro ala isaky ny lohataona amin’ireo hany sisa mba faritra voajanahary Libaney. Ary isan-taona, lalaovina hatrany ny fifanilihana: ireo antoko sy mpanao pôlitika dia mifanilika hatrany ho tsy nisy fiomanana momba izany ary tonga hatrany amin'ny fifampiampangana ho nanao fanahy niniana ny fandorana.Raha izany,...
Brezila: Mananontanona ny ady an-trano noho ny tanin'ny Indizeny
Raha mankalaza ny andron'ny vahoaka indizeny izao tontolo izao amin'ity andron'ny Vahoaka indizeny ity, dia mananontanona kosa ny ady antrano noho ny adintany mitranga any Brezila.
Tontolo iainana: Ny fitrandrahana solika
Omar ao amin'ny Safarinotes no mifantoka amin'ny resaka solika ao Ouganda, ka manao hoe “Eo amin'ny resaka tontolo iainana, raha mitandrina dia mitandrina tokoa i Ouganda amin'ny fikajiana akora voajanahary hafa tahaka ny rano, ny tany ary ny fiainan-javaboary DIA (tsy misy tompo ankoatra ny lalàm-boajanahary) dia fantatra amin'ny maha-tsy...