Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jona, 2015
Olona an'Arivony Nidina an-Dalamben'i Roma Hanome Ako ny Antson'ny Papa Fransoà Hanaovana Hetsika amin'ny Toetr'Andro
"...Ny marina amin'ity raharaha ity dia mila miray hina amin'ny famahana ny olan'ny vanim-potoana iainantsika ny zanak'olombelona. Olana ho an'izay rehetra manana fahatsapana ara-maoraly ny fikorontanan'ny toetr'andro.”
Brezila : Vokatry Ny Asa Ataon'ny Banky Iraisam-pirenena, Tsy Mahazo Rano Fisotro ireo Vondrom-piarahamonina Ao Sertão de Ceará (Ampahany 1)
Nafindra toerana tsy narahana fampiharana izay fepetra sy zo nofaritan'ny fitsipik'ilay fikambanana iraisam-pirenena akory ireo mponina voadona tamin'ny asa fanorenana ireo tohodrano novatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola. Fanadihadian'ny Agência Pública.
Nepal : Ampiasaina Ny Vakan-Janabolana Hanarahan-dia Ilay Leopardan-dranomandry Antsoina Hoe Omi Khangri
Mino ireo mpiaro ny tahirin-javaboahary fa zava-dehibe amin'ny fiarovana ireo saka be tandindinin-doza, izay miriaria any Himalaya any Nepal ireo torohay voaangona avy amin'ny vakan-janabolana.
Any Torkia, Eo Am-pitadiavana Olona Bebe Kokoa Manohana Ny Fanomezan-danja ny Tanàna
"Nalàn'izy ireo ny mavo, manga, maintso, volomboasary, volomparasy, mena, ary nosoloiny volontany sy fotsy izy ireny. Nopotehan'izy ireo ny Sulukule."
Fetibe Vaovaon'ny Filma sy Radio ao Amerika Afovoany Miresaka ny Tolona Ataon'ny Vazimba Teratany
Nanomboka tamin'ny 10 jona tao Oaxaca ny Fetibe voalohan'ny Filma sy Radiom-Piarahamonina aoAmerika Afovoany ary hitohy any amin'ny firenena hafa maro ao amin'ny faritra amin'ny faraparan'ity volana jona ity.
Tonga ny Fotoanan'ny Orana, Mitondra Hafaliana, Aretina an-Doha ary Sary Mahafinaritra
Zavatra natao hankalazaina ny fanombohan'ny fotoanan'ny orana saingy miteraka fikorontanan'ny andavanandrom-piainan'ny olona amin'ny ankapobeny ny tondradrano.
Ny Fiovaovan’ny Toetrandro No Ao Ambadiky Ny Fihenan’ny Farihy Baikal Any Rosia, Hoy ireo Manampahaizanana
Baikal no farihin-dranomamy lehibe indrindra maneran-tany ary voarakitra ho Lova Iraisam-pirenena ao anaty lisitry ny UNESCO. Niharan’ny fidinana mandozan’ny haavon’ny ranony izy.
Ny Hafanana Tao India no Fahadimy Mahafaty Olona Be Indrindra Ankehitriny
Raha tondradrano na horohorontany ny onjan-kafanana ao Andhra Pradesh, mety ho malaza. Mety handeha ny olona. "OMG 2000 namoy ny ainy; mihantona eo. Mivavaka ..."
Mivondrona Aty Anaty Aterineto Ireo Fikambanana Indoneziana Hitaky Ny Rariny Mikasika Ny Famonoana Ilay Mahery Fon'ny Tontolo iainana
Taorian'ny fanambarana nataon'ny mpitondra tenin'ny Tantsambo Indoneziana iray, vondrona maromaro no nitambatra mba hanangana ny "Solidaritas4Jopi," ho fandisoana ny sahoan-dresaka milaza fa fa mety ho fiarovan-tena no nahatonga ny nataon'ilay namono an'i Peranginangin
Aina Ny Rano Ho An'ny Vahoaka Sarayaku Ao Ekoatora
Manampy hahatakatra ny fanolorantena tsy miato mba hiarovany ny tanin-dry zareo amin'ny fitrandrahana solika, entona ary mineraly ireo lahatsary dizitaly mivantana avy any amin'ny faritanin'ny Sarayaku ao amin'ny Amazona Ekoatoriana.