Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2010
Rosia: Fanohanana ireo niharam-boina tamin'ny lelafo amin'ny alalan'ny famatsiam-baovao amin'ny aterineto

Mbola niparitaka hatrany ny afo tao Rosia nanomboka tamin'ny herinandro lasa teo, izay nampikorontana ny mponina an'arivony. Nisy vohikala vaovao iray niforona ary mampiasa ny fitaovana Ushahidi, Russian-fires.Ru, izy io dia tsy mamoaka an-tsary ny toerana nitrangan'ilay lelafo fa mampifandray ireo mponina mila fanampiana sy ireo manam-paniriana ny hanampy azy ireo.
Brezila: Fomba fitokonan'ny vazimba naharitra valo volana
Nilasy efa hatramin'ny voalohandohan'ny volana Janoary tamin'ity taona ity eo anoloan'ny Minisiteran'ny fitsarana any Brazilia D.F. ireo vondrom-piarahamonina vazimba (nahitsin'i Jentilisa ho vazimba ny teny hoe Indigène eto) breziliana maro....
Madagasikara: Ny famotorana miafina niainga hatrany an'ala momba ny raharaha-na andramena (bolabola)
Iray amin'ny vokatry ny faharetan'ny krizy politika eto Madagasikara ny fiantraikan'ny sazy mihatra amin'ny tontolo iainana, indrindra fa amin'ny ala voajanahary noho ny vola betsaka azo noho ny fitrandrahana tsy...
Korea Atsimo: fiarovana tsy ampy niteraka fipoahan'ny fiarabe mpitatitra
Mbola nianoka fitsangatsanganana mandritra ny fialantsasatra ry zareo Koreana Tatsimo raha nahita tamin'ny lahatsary ny fipoahana mampihoron-koditra fiarabe mpitatitra iray tao afovoan'i Seoul. Fiarabe mpitatitra efa mahazatra ny rehetra ary...
Rosia: Tanàna sy vohitra maro may

Doro ala sy afo be mivaivay no mandripaka manivatsiva an'i Rosia afovoany ; olona an'arivony no alàna amin'ireo faritra voakasika, ary ny mampalahelo dia, misy tatitra mikasika ireo fahafatesan'olona ( miisa 28 farafahakeliny , hatramin'ny androany ). Tamina tranga maro dia tsizarizary ny fandraisana an-tànana ny ezaka famonoana afo, ka nisafidy ny hihetsika amin'ny herin'ny tenany ireo mponina eo an-toerana sy hiaro ireo tanàna sy vohitra manodidina miaraka amin'izay fitaovana mety hananany eo am-pelatanany.
Filipina: Topimason'ireo mpitoraka blaogy amin'ny olana mianjady amin'ireo tantsaha
Ireo mpitoraka Filipiana nandray anjara tamin'ny fitetezam-paritra ara-barotra tany amin'ireo tanàna an-tendrombohitr'i Cebu, faritra afovoan'i Filipina, dia nahita ny fomba toe-piaina sy nahazo sary an-tsainaireo olana atrehan'ireo tantsaha any amin'io faritra io.
Inde: Maty nisy namono ilay mafana fon'ny RTI
Tamin'ny faha-20n'ity volana ity , maty novonoin'ny lehilahy roa mitam-basy tsy fanta-piaviana manohitra ny Fitsarana Avo Gujarat any Ahmedabad , any Inde, i Amit Jethwa ilay manampahaizana manokana momba ny tontolo iainana sady mpanao fihetsiketsehana miaro ny Zo hahazo vaovao (RTI). Manao hetsika arahin'ny hasosorana sy hatezerana ireo mponina amin'ny aterineto .
Madagasikara: Ambany fiarovan'ny tafika manokana ny fanimbana ny ala
Nanazava ny fomba nanaovany fanadihadiana miafina nandritra ny herintaona sy tapany[fr] izay nandraisany anjara tamin'ny tatitra mitondra ny lohateny hoe “Between Democracy and Conservation” [An-tsampanan'ny demaokrasia sy ny Fikajiana (ny tontolo...