Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Avrily, 2014
Hamafisin'ny Lalàna Miaro Ny Tontolo iainana Ao Shina Ny Sazy Ho An'ireo Mpandoto
Manome fahefana bebe kokoa an'ireo sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana hampiasa ny fahefana hanasazy ireo mpandoto matanjaka io lalàna vaovao io ary tsy hanarontsarona intsony ny sazy ara-bola natao ho an'ireo orinasa noho ny fandotoana .
Nolavin'ny Fitsarana Shinoa Ny Fitoriana Mikasika Ny Loton-drano Ao Lanzhou
Nolavin'ny fitsarana Shinoa ny fitoriana ilay orinasa mpamatsy rano ao Lanzhou izay napetrak'ireo mponina miisa dimy noho ny fisiana benzène miteraka homamiadana tafahoatra amin'ny rano amin'ny paompy.
Arzantina: Miantraika Any Amin'ny Beran-dranomandry Am-bala Ny Hafanana Be Loatra
Niantraika tamin'ilay bera iray monja nihidy anaty vala tany Arzantina ny hafanana be loatra tany amin'io firenena io. Nangataka ny hanomezana toe-piainana mendrika ho azy ny vahoakan'i Arzantina.
Kuntur: Fampiharana Vaovao Fijerena Vorona Navoaka Any Kolombia
Mampanantena ny hanamora ny fijeremborona na ho an'ireo efa za-draharaha na ho an'ireo mpitia mijery vorona any Kolombia ny Kuntur, fampiharnaa android vaovao.
Zavatra Mahavariana 5 Hita Amin'ny Sokatra “luth”
Fotoanan'ny fanatodizana izao. Mianara ny mombamomba bebe kokoa io soka-dranomasina io, izay miverina eny amin'ny morontsirak'i Porto Rico isan-taona mba hanatody.
Nahavonjy Zanaka “Loutres” Roa Ao Taiwan ny Mponina
Nisy zanaka loutres Eoraziatika kely roa hita tao amin'ny nosin'i Kinmen rehefa noravan'ny asam-pananganana drafitrasa ny akaniny.
Jamaika : Maty Ny Jiro Amin'ny Alina ; Afaka Madiodio Ireo Mpanao Politika Voarohirohy Aminà Kolikoly
Mampiady hevitra ny Jamaikana ny fironanan'ny rafi-pitsarana noho ny fanafoanana ny fanenjehana ilay minisitry ny Parlemanta taloha taminà kolikoly manala baraka, isan'izany ilay fizaràna takamoa
Singapore : Peta-Drindrina Fanentanana Hahatonga Fanamelohan-Tena Amin'ny Fihinanan-Kena
Manentana ny olona hieritreritra avo roa heny ny fihinanany hena ilay peta-drindrina fanentanana ao amin'ny toeram-piantsonanà fiarandalamby any Singapore.
Olan'ny Tontolo iainana : Namono Biby An'arivony Ny Haintany Any Kolombia
Biby maherin'ny 20 000 no nolazaina fa maty vokatry ny haintany any Casanare, Kolombia. Ampiasain'ny mponina ny tambajotra sosialy mba hitarihina ny saina ho amin'io olan'ny tontolo iainana ilaina vahàna haingana io.
Shina : Ny Fiantohana Amin'ny Setroka, Vahaolana Farany Amin'ny Fahalotoan'ny Rivotra iainana
Ny fiantohana amin'ny setroka, izay voalohany amin'ity karazany ity, dia mikendry ireo mpivahiny sy ireo mponina any amin'ny tanàna fito any Shina. Niaina tao anaty fahalotoan'ny rivotra iainana nandritra ny taona maro ny tanàna sasany.