· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2018

Tandindonin-doza ny tokatandroka mainty ao Zimbaboe noho ny fanafoanan'i Shina ny fandraràna nihatra 25 taona

  15 Novambra 2018

Tsy mbola manana ny loharanom-bola ilaina mba hanamafisana ny fiarovana sy hampiroboroboana ny fahaiza-manao amin'ny fanaraha-maso sy ny fitsongona dia ireo mpihaza tsy ara-dalana any amin'ny valan-javaboary nasionaly any Zimbaboe ireo mpandala ny tontolo iainana.Vao mainka hanasarotra ny toe-draharaha ny fanafoanan'i Shina amin'ny ampahany ny fandrarana ao anatin'ny 25 taona.

Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena

Nampiseho ny fikarohan'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.