Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2014
Tafio-drivotra Mahery Vaika Vongfong Namono Olona 2, Maherin'ny 70 Kosa No Naratra Tao Japana
Olona teo amin'ny roa tapitrisa teo no nafindra toerana, ary mbola goavana ny fahasimbana tao amin'ireo faritra ambanivohitra mitoka-monina tahaka ny ao Okinawa na dia misy fetrany aza
Manakana Ireo Sambo Mpitatitra Arintany Ao Amin'ny Seranan'i Aostralia Hanoherana Fahasimban'ny Toetr'Andro Ny Mponin'i Pasifika
Tamin'ny fampiasana lakana (canoes) tarihim-pivoy voasokitra, miara-dalana amin'ireo kayaks aostraliana am-polony, ry zareo no nahavita nanakana sambo folo tokony handalo ny seranan-tsambo fanondranana arintany tao Newcastle.
Inona No Ratsy Indrindra Ho An'i Inda: Ny Rivodoza Hudhud Sa Ny Fisavoritahan'ny Media Momba Azy?
Tao amin'ny Twitter, nitaraina ireo Indiana maro fa ilay fanaingàna fihetseham-po tafahoatra tany anatin'ireo vaovao no tena nahatonga ny fahapotehana be indrindra fa tsy dia ilay rivodoza loatra.
Tselatra Namono Wiwa 11 Tao Kolombia
Namely tanàna kely indizeny iray ny tselatra tamin'ity herinandro ity, ka nahafatesana olona 11 ary 18 hafa naratra tao Sierra Nevada an'i Santa Marta, Kolombia.
Lahatsary Mampiseho Finamanana Lehibe Eo amin'ilay Lehilahy Breziliana sy Zana-borona Tsikiririoka
Ao anatin'ny lahatsary maharitra roa minitra monja, nampahafantatra ny namany vaovao vao haingana izy, zana-borona tsikiririoka, nahazo ny fon'ny olona sy mpankafy manerana an'i Brezila i João Silvestrini tamin'ny lahatsariny.
Mampandohalika An'i Jamaika Ilay Otrikaretina Tsikongonià
Miatrika fanairana ara-pahasalamana mampidi-doza i Jamaika, raha manamafy ireo bilaogera fa mety hampiasaina ho fantsona fampitàna vaovao mahomby mba hanabeazana ny vahoaka momba ireo risika ny Mediam-bahoaka.
Voromby Baikoan-Davitra Ao Amazonia Manaramaso Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny fiofanana notarihin'ny vondrona Tushevs Aerials tamin'ny volana Aogositra 2014, nahita ireo mpitarika ny vazimba teratany (indizeny) avy ao amin'ny faritra Loreto sy Madre de Dios ao Però fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fanaharamaso ireo loza mety handrahona ny tontolon'ny ala ny fiaramanidina baikoan-davitra (drôna).
Maminaviana ny Hampandroso Ireo Nosy “Goat” I Jamaika Na Dia Eo Aza Ireo Hetsi-panoherana Miaro Ny Tontolo Iainana
Nandefa fangatahana fanaovan-tsonia tany amin'ny UNESCO ireo mpitantana an'i Jamaika, kanefa nitarika famadihana palitao ny fampiasam-bola 1,5 lavitrisa $. Voafatotra amin'ny FMI, mety ho be loatra ny vola ka sarotra ny hamela azy.
Latsaky ny 10%-n'ny Tontolo Ambanivohitra Afrikana Atsimon'i Sahara No Mampiasa Herinaratra. Inona No Atao Mba Hanovàna Izany ?
Dimy ambinifolo isan-jaton'ny mponina maneran-tany no miaina aty Afrika nefa ny 3 isan-jaton'ny herinaratra ampiasain'izao tontolo izao ihany no jifainy. Maro ireo fikambanana mitondra karazana tetikasa mba hanazavàna io tanibe io.
Tiorkia : Sekolin'ny Natiora , Mampahatsiahy Antsika Izay Adinontsika
Doğa Okulu, "Sekolin'ny natiora" any Tiorkia, dia endriky ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpikatroka ao an-toerana, ny vondrona ary ny mpitantana ao an-toerana. Tao anatin'ny fito volana dia efa nampianatra zavatra be dia be ny sekoly.