· Febroary, 2018

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Febroary, 2018

Japana: Niverina Ny Hetran'ny Solika

Tafaverina indray ilay hetra "vonjimaikan'ny" solika any Japana, 25 yen isaky ny litatry ny solika, nohalavaina nandritra ny 30 taona ary namatsiana fandaharan'asa fanamboarana làlana 5000 eo ho eo, taorian'ny ady nifanaovana tamin'ny mpanohitra, ary tsy nankasitraka izany ny olona. Tantaran'ny zavatra niainany tamin'ny fanandramana hameno ny fitoeran-tsolikany teny amin'ny toby fitsinjaràna solika tamin'ny andro farany nialoha ny fiakaran'ny vidin'ny solika ny voalohan'ny volana May.

27 Febroary 2018

Lahatsary: Fahaizana Mamorona Ho Fiatrehana Ny Krizin-drano

Tamin'ireo loza voajanahary roa tena vao haingana tsaroana: ny rivodoza tao Myanmar sy ny horohorontany tany Sichuan, Shina, niverina tao anaty adihevitra ny olana mikasika ny famatsiana rano madio sy ny rano fisotro ho an'ireo vahoaka mila izany. Eo ambany, ireo lahatsary marobe izay manolotra vahaolana samihafa mba hahazoana rano madio na fara-faharatsiny fomba mora ho an'ireo olona hisotroana rano mahasalama.

20 Febroary 2018

Tontolo Iainana: Tafatafa Iray Miaraka Amin'i Isabel Hilton Mikasika Ny ChinaDialogue

Nanao fanavaozana ara-indostrialy tao anaty fotoan-tsarotra i Shina.. nanaraka ny sori-dalana Tandrefana io, avy eo nihazakazaka haingana nankamin'ireo fetra faran'izay maodely izay. Raha mihetsika araka ny tokony ho izy ny governemanta Shinoa, manana fahafahana ho lasa lohany eo amin'ny lafiny fitahirizana sy fanadiovana i Shina. Raha tsy izay kosa, ohatran'ny ho ratsy ny fandehan-javatra.

18 Febroary 2018

Okraina: Fialofan'ny Biby

Ny 19 Aogositra 2007, nandeha nitsidika toerana iray fialofan'ny biby ny mpanao gazety Okraniana Tanya Kremen, tanàna kely iray miorina ao ivelan'ny Hostomel Toy izao ireo heviny sy ireo eritreriny, izay nalefany tamin'ny blaoginy tao amin'ny Korrespondent.ne

03 Febroary 2018