Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2021

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Mey, 2021

Tatitry ny Greenpeace manasongadina ny fitaran'ny fanarian'ireo firenena eorôpeàna ny fakony any Tiorkia

Isan'ireo zavatra hita any amin'ny toerana fanariana fako any Tiorkia ireo fonon'entana avy amin'ny mpaninjara ao UK sy ireo fitaovana fitiliana 'antigen' COVID-19 avy nampiasaina.

Mahafatifaty ny tantely Jamaikàna, tena ilaina ny fiarovana azy

Mitatra be ny fiompiana tantely ao Jamaika tato anatin'ny taona vitsy izao, mampitombo koa ny fampidirambola no sady miaro ny tontolo iainana, ary ahafahana mahazo sary mahafinaritra marobe.

‘Tohano ny mpiompy tantely any aminareo': ireo olana ao Karaiba, Andro Erantany ho an'ny Tantely

Tanjon'ny hetsika tamin'ity taona ity ny hanairana ny sain'ny rehetra momba ny loza mitatao amin'ny tantely ao anatin'izao vanimpotoana isian'ny valanaretina COVID-19 sy ny tsy fahampian'ny sakafo izao, ary ny hahitàna fomba hiarovana ireo mpamindra vovobony tena iainkinan'ny ain-dehbe ireo

Kambodza, mpikatroka mpiaro tontolo iainana voaheloka fa nikasa hikarakara “fandehanana ataom-behivavy tokana”

"Nosamborina ireo tanora ireo satria niezaka niaro ny farihy lehibe indrindra eto Phnom Penh sy hitahiry azy ho an'ireo andiantaranaka ankehitriny sy hoavy."

Miaraka amin'ny fihenan'ny velaran-tany mando, mizotra mankany amin'ny fihenana koa ny isan'ireo sakadia mpanjono tsy fahita firy ao Nepal

Mihena ny isan'ireo karazana sakadia satria ny toerana fonenana dia efa mihamaina ary navadika ho tany fambolena ary fampiroboroboana ny fotodrafitrasa.

Orambe vao mainka manavesatra ny fiantraikan'ny volkano La Soufrière ao St. Vincent sy ao Grenadines

Manakaiky ny vanimpotoanan'ny rivo-mahery 2021 ao Atlantika, mizaka orambe mivatravatra ny firenena, izay vao mainka manampy trotraka amin'ny fiforonan'ny Lahars na riakam-potaka vôlkanika mandravarava