· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2012

Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’

  30 Jolay 2012

Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.

Meksika: Fihanihana Tendrombohitra Hiadiana Amin'ny Olan'ny Rano

  24 Jolay 2012

Ny Fanamby "Challenge "dia ny hanairana ny saina mikasika ny olan'ny rano sy ny olan'ny fanajariana manerana izao tontolo izao ary hanangonana vola mba hiantohana rano fisotro ho an'ny olona rehetra. Ilay mpamorona ny Fanamby 21, Jake Norton, dia mihevitra ny hanatanteraka azy ity amin'ny fihanihana ireo tendro telo avo indrindra isaky ny kaontinanta tsirairay. Lahatsary roa manaraka no ahafahantsika mahita ny fomba anaovany izany, anisan'izany ny fihanihana ny Pico de Orizaba ao Meksika.

Puerto Rico: Tohana Mafonja Ho An'ny Tany Sy Ny Fambolena

  20 Jolay 2012

Maro ireo fikambanana samihafa nampitandrina momba ny fiankinan-doha ara-tsakafo mahazo an'i Puerto Rico ary ny maha-maika ny famelomana indray ny fambolena ao amin'ity firenena ity. Niaraka tamin'io antony io no nanaovana fihetsiketsehana hitakiana ny tsy hanerena ny Anjerimanontolon'i Puerto Rico hanome ampahany amin'ny taniny ho an'ny kaominina ao Gurabo mba hananganana foto-drafitrasa.

Espaina : Solombavam-Bahoaka Niteny Ratsy Ireo Tsy An'Asa An-Tapitrisa

  19 Jolay 2012

Eo am-pivorian'ny solombavam-bahoaka, Andrea Fabra dia nihiakiaka narahan'ny tehaka "¡qué se jodan!" (' 'asaivo mandeha mi.... any ry zareo !) tamin'ireo tsy an'asa espaniola an-tapitrisa tao aorian'ny nanambaràn'ny filohan'ny governemanta Mariano rajoy ny fepetra henjana mahakasika ny fanampiana sosialy ho an'ny tsy an'asa teo amin'ny tantaran'ny demokrasia espaniola.

Rosia: Maneho Hevitra Momba Ny Tondradrano Nandrava An'i Krymsk Anaty Aterineto Sy Mivantana Ireo Mpampiasa Aterineto

Tamin'ny 6-7 Jolay, maherin'ny 170 ireo olona namoy ny ainy tamin'ny tondradrano nandrava tany atsimon'i Rosia. Niady hevitra ireo mpitoraka blaogy momba ny mety nahatonga izany loza izany tany amin'ny Krymsk - faritra voa mafy; maro ireo efa any amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo na mpanao gazety, ary maro amin'ireo adihevitra amin'ny aterineto koa no mifototra amin'ny ezaka fanavotana.

Ekoatera: Manao Veloma An’i George ilay Sokatra Manirery

  17 Jolay 2012

George ilay manirery avy ao amin’ny  nosy Galápagos  ao Ekoatera no sokatra  niangana farany tamin’ny karazany. Hita tamin’ny Asabotsy maraina 24 Jiona 2012 teo ny fatiny, tao amin’ny tokontany nonenany misy ny foibe fiompiana sokatra  Galápagos aoPoerto Ayora, Nosin’i Santa Cruz. George no sokatra farany amin’ny karazana Chelonoidis abingdonii, teo amin’ny faha-150 taonany...

Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.

Afrika: Fankalazana Ny Maha-Olombelona Amin'ny Alalan'ny Sary Sy Lahatsary

Nanjary lasa niparitaka be ny lahatsoratra manazava sary 21 izay mamerina indray ny maha-olombelona. Indrisy anefa, tsy tao anatin'izy ireo ny Afrikana sy i Afrika. Nefa tsy ny fijoroana vavolombelona goavana amin'ny fisian'ny toe-panahy maha-olona avy amin'ny kaontinanta Afrikana akory no tsy misy. Ireto misy sary vitsy sy lahatsary izay maneho fa, 'Manana Fo ihany koa i Afrika'.