Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2009

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Febroary, 2009

24 Febroary 2009

Armenia: Fihazana tsy manara-dalàna navandravandra

Fanaingoana ny fahasamihfana vitan'ny fikatrohana an-tserasera tany Armenia indray ity, nisy lahatsary YouTube iray izay mampiseho lehibe-na mpiambina ala any amin'ny valan-javaboarin'i Khosrov nihaza lambo ka nahatonga ny fandroahana an-drangahy io. Tamin'ny 6 Febroary 2009 ny mpampiasa YouTube iray antsoina hoe TugUrartu no namoaka lahatsary iray miaraka amin'izao fanazavana manaraka...

RD Kongo: Tsy biby fiompy ny rajako

Henika ny filazana amboletra nataona rajakobe 15 taona milanja 200 pound (90kg) tamina vehivavy mipetraka any Stamford, Connecticut, Etazonia ny haino aman-jery fantatry ny maro. Nidarodaroka ny vehivavy naman'ny tompony ihany, ka nandratra azy mafy dia mafy tokoa ilay rajakobe mpilalao sarimihetsika na dokambarotra fanao amin'ny fahitalavitra. Rajako efa lehibe...

20 Febroary 2009

Brioney: ny dia amin'ny ankapobe

Tahaka ny firenena manerana ny bolan-tany, tsy ho lany olona mazoto hanao fanamby ka hametraka ny firenena ao anatin’ny saritan’izao tontolo izao I Brunei. Iraka 2 no notanterahina.

19 Febroary 2009

Shina: Haintany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona

Namely ny 43% n’ny varimbazaha vokarin’ny firenena ny hay tany ratsy indrindra tao anatin’ny 50 taona, izay nipaka hatrany amin’ny faritany 12 sy ny velaran-tany mihoatra ny 9 300 hektara, ao amin’ny faritra avaratry Chine. Nampitandrina ny birao miahy ny faritany sy ny birao avo miady amin’ny haintany fa olona...

Kambodza: Mizotra misimisy kokoa amin'ny ho avin’ny natiora organika.

Mikirakira an-tsehatra ireo vaovao bolongana Phnom Penh mikasika ny fihemoran’ny fivezivezen’ny sakafo tamin’ny 10 Febroary 2009 ny mpitoraka bolongana ao amin’nyCAAI News Media sy i Khmer Stars. Miresaka ny filozofian’ny fanamboarana ny sakafo ho tsara, madio sy mendrika manoloana ny fihenan-tsakafo ny loharanom-baovao, ary milaza izy hoe amin’ny fomba ahoana...

Brunei: rotsak’orana foana, tondra-drano ary fihotsahan-tany.

Nitohy tsy nijanona sy nanampoka ny maro ilay ora-mikija tsy ela akory izay. Nitarika fahatapahan’ny herinaratra, tondra-drano sy fihotsahan’ny tany izy io. Maro ireo toerana ambanivohitra no tsy azo aleha noho ny fiakaran’ny rano

Tontolon’ny Arabo: Miaina anaty rivotra!

Voarakotra tafio-drivotra goavana ny sakeli-tany arabo manontolo, mahatonga ny vahoaka any Bahrain, tao Kuwait, tao Arabia Saodita, Yemen, Iraq ary ny firaisan’ny Arabo entin’ny Emir (United Arab Emirates) hiaina anaty rivo-manempotra. Ireo ny horonantsary, sary sy bolongana nampidirina mahakasika ny toetr'andro mahatsiravina izay tsy fahita amin'ny vanim-potoana toy izao ao...

15 Febroary 2009

Kambojia: Tatitra miampanga ireo sangany ho mangalatra

Global Witness, fikambanana iray tsy miankina amin’ny fanjakana any Londres dia namoaka tatitra hoe Country for Sale [Firenena amidy] tamin’ny 5 Febroary 2009. Mampitandrina izany tatitra izany fa mety hitontongana any amin’ny kleptocratie ny Kambojia, ary milaza fa ny antontam-bola goavana izay miditra any amin’ny kitapom-bolan’ny governemanta dia ny elite...

11 Febroary 2009

Malezia : ady amin'ny dengy sy ny tsikongonia

Vokatry ny fitomboan'ny olona mararin'ny dengy dia manao fanentanana amin'ny ady amin'ity aretina ity ny fanjakana Maleziana. Araka ny fantatra tamin'ny volana lasa dia nahatratra 4 521 no isan'ny olona narariny ary 13 no matiny. Mampatahotra ny fiakaran'isan'ireo mararin'ny dengy. Tamin'ny taon-dasa dia nahatratra 49 335 ny isan'ny olona narary...

04 Febroary 2009

Goadelopy: Hetsika ara-tsosialy vaovao

Roambitelopolo, efatrambitelopolo, eninambitelopolo ary izao dia roambidimampolo – ireo no isa manan-tantara tsy mitsaha-mitombon'ireo vondrona sendikaly, ara-kolotsaina sy vondrona niforona tamin'iny volana lasa iny sy ny taloha tany, miombona anaty teny faneva iray: Lyannaj kont pwofitasyon, dikanteny Kiriolona [Creole] ho an'ny hoe “Ndeha hijoro isika hanohitra izay rehetra endri-panararaotana”. Tao...