Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Janoary, 2014
Ranon-trambo Sy Tany Nihotsaka Namely Tao Sulawesi Avaratra, Indonezia
Namely ny tanànan'i Manado tao Indonezia ny ranon-trambo sy ny fihotsaky ny tany mahery vaika ary nampifindra mponina maherin'ny 40.000. Voalaza fa nandrakotrafiara am-polony sy mpandeha tao anatiny ny fihotsaky ny tany.
Mitombo Be Ny Aretina “Chikungunya” Ao Karaiba
Efa zatra mizaka ny anjara aretiny noho ny kaikitra moka ny ao Karaiba, saingy ankehitriny tena iray vaovao no mitranga: Chikungunya, izay niely niparitaka manerana ny faritra hatramin'ny volana lasa teo iny.
Mpiadin'ny Toetrandro Ao Pasifika: “Tsy Dobo An-drano izahay, Mbola Mitolona izahay”
Misy fanentanana iray mikatsaka ny hanova ny sarin'ireo mponin'ny Nosy any Pasifika hiala amin'ny hoe traboina tsy mahefa na inona na inona ho lasa mpiady am-pilaminana manohitra ny fiovaovan'ny teotrandro
Uruguay Anatin'ny Toerana Andehanana 10 Tsara Indrindra In'Efatra Taona Misesy
Isan-taona ny Ethical Traveler no misafidy ny firenena andalam-pandrosoana folo tsara fitsidika indrindra. Tsy maintsy manaporofo ny adidiny amin'ny fiarovana sy fitehirizana ny loharanon-karenany ara-boajanahary ao aminy ireo firenena ireo.
Mandrisika ny Indiana Hanao Ny ‘Take the Poo to the Loo’
Mbola olana goavana any India ny Toera-pikajiana ny fahasalamana sy ny fahadiovana rehefa mbola mangery ankalamanjana ny atsasaky ny mponina ao aminy. Miezaka ny UNICEF India amin'ny fanentanana #poo2loo ny hanao fanentanana amin'ity raharaha irailoha ity.
SARIPIKA: Olona 20 000 Nafindra Toerana Noho Ny Fipoahan'ny Volokano Tao An-Tendrombohitra Sinabung Indonezia
Rehefa tsy nihetsika nandritra ny 400 taona, dia nipoaka tampoka ny volokano tao amin'ny tendrombohitra Sinabung tao Indonezia ka nampifindra toerana mponina maherin'ny 20,000. Efa nipoaka in-200 ny volokano tamin'ny taon-dasa
SARIPIKA: Tondra-drano Nandritra ny Krismasy Tao Karaiba Atsinanana
Niaina rotsak'orana betsaka sy tondra-drano mahery vaika ny mponina atsinanan'ny vondron-nosy Karaiba izay ahitana an'i Dominika, Santa Lucia, St Vincent ary Grenadines.
Hosoka Ilay Sarin'ny Orita Goavana Hita Tany California
Ilay sary namboamboarina dia nampiarahan'ny tatitra hosoka navoakan'ny tranonkalam-baovao fantatra fa mpananihany antsoina hoe Lightly Braised Turnip [Navet Nodorana Kely]. Saingy tsy nanakana ny mpisera aterineto maro hino ilay vaovao ho tena nisy izany.
Taonan'ny Fanentanana Ho An'i Iran
Velona tsara ny fanantenana ao Iran amin'ny fanatsarana ny toe-draharaha ho an'ny olom-pirenena namana. Indreto ny sasantsasany tamin'ny fanentanana nozohiantsika tamin'ny 2013.
Zavona sy Haiyan: Ireo Loza Nahafaty Tao Azia Atsimo Atsinanana Tamin'ny 2013
Ny fandrakofan'ny Global Voices ny halotoan'ny zavona nihoatra ny sisintany tany Singapore, Malezia, ary Indonezia; sy ny fiantraikan'ilay rivodoza mahery vaika Haiyan mahafaty tany Filipina tamin'ny 2013.