Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Septambra, 2023
Kamerona : na nampidirana teknika vaovao ho fanarahamaso aza dia mbola mizaka tsindry noho ny asan'olombelona ihany ny Valanjavaboary Nasiônaly Boumba Bek
« Ny 2017 hatramin'ny 2021, tena nihena be ny fihazàna sy ny asa hafa tsy araka ny lalàna nataon'olombelona, tranga 18 lasa 0 »
Noho ny sivana atao amin'ny solika fôsily, manao ankivy ny valisoa fanomen'ny haino aman-jery ireo Aostraliàna mpanao sariitatra
"Taona 2023 izao, ary tsotra fotsiny tsy azo ekena ny hoe ny loka ambony indrindra amin'ny asa fanaovan-gazety Aostraliana dia tohanan'ny solika fôsily, tsy misy mari-pankasitrahana manokana ho an'ny asa fanaovana gazety famoaham-baovao mikasika ny toetrandro"
Tondradrano no mariky ny fiovan'ny toetrandro iainan'ny ambanivohitra ao Trinidad, fa misy antony fanampiny koa
"Efa miaina ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro i Trinite sy Tobago, toy ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ny fiakaran'ny maripana iainana ankapobeny ary ny rafitra toetr'andro mahery vaika.."
Mampirehitra adihevitra fitrandrahana sy ny fitomboana harin-karena ao Amerika Latina indray ny fitsapan-kevi-bahoaka manan-tantaran'i Ekoadaoro
Almost all Latin American countries are still tempted to use extractivism as a development model. Is it possible to strike a balance between environmental conservation and economic growth? Saika ny firenena Amerika Latina rehetra no mbola alaim-panahy hampiasa ny fitrandrahana ho modely amin'ny fampandrosoana. Azo atao ve ny mampifandanja ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fitomboana ara-toekarena?
Ireo zava-dehibe nisongadina tamin'ny vovonana ara-toetrandro voalohany teto Afrika notontosaina tao Kenya
Na dia malefaka aza ny fandraisan'i Afrika anjara amin'ny fandotoana, dia iainany lalina ny fiantraikan'ny fiakaran'ny maripanan'ny tany.
Fahalotoana ateraky ny plastika madinika ao Sri Lanka : ho mpamono olona mangingina
Poizina ho an'ny zavamananaina rehetra ny plastika madinika. Mandrapahafahan-tsika manolo ny plastika na miady amin'ireo plastika madinika, ny fitsipika ankapobeny dia tsy maintsy ny fialàna amin'ny fampiasana an-jambany ny plastika rehetra eo amin'ny fiainantsika.
Ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro amin'ny tantsaha ao Tobago
Anaty toetr'andro maina be amin'ny fotoam-pitomboana sasany na fivangongoan-tany be loatra, rehefa misy rotsak'orana mahery vaika, no mampihena ny vokatra
Fiangaviana hiaro ny voromanidin'i Jamaika
Milaza ny Lalàna miaro ny biby mpirenireny any Jamaika fa “arovana ny vorona teratany rehetra”. Anisan'izany ny boloky [mg] sarivazo boloky, vorondolo, voron-dranomasina ary vorondrano amoron-dranomasina. Na dia ireo vorona mpifindra monina izay mipetraka ao anatin'ny fotoana fohy aza dia voaaron'ny lalàna.
Fiainana tsy mateza ao an-tampon-tanànan'i Kingston, Jamaika
Mieritreritra ny honina amin'ny trano kely kokoa i Emma Lewis, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, saingy ny triatra ao amin'ireo trano notsidihany dia mety manondro olana lalina kokoa manodidina ny “fivoarana-fampandrosoana vaovao” ao Kingston.