Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Mey, 2012

29 Mey 2012

Peroa : Iquitos Taorian'ny Fandalovan’ ilay Tondradrano

Fanadihadiana mikasika ny tondra-drano no nandrakotra ny faritra Amazon ao Peroa nandritra ny iray volana, nahatratra sy nihoatra ny teboka ambony indrindra teo amin'ny tantara..Amin'izao fotoana izao dia efa nihena izany . Ao anatin'ity lahatsoratra ity no izarànay ny lahatsary avy amin'ny mponina, sary ary fanadihadiana mikasika ilay tondra-drano.

28 Mey 2012

Iran : ” ‘Ndeha Hiaro ny Farihin'I Urmia Amin'ny Ranomasontsika “

Tsy kivy mihitsy ireo mpanao fihetsiketsehana maro niady ho amin'ny fiarovana ny farihin'i Urmia ao Iran amin'ny fahasimbana maharitra mahazo ny tontolo iainana. Ao anatin'ny filaharana manerana ny faritr'i Azerbaijan ao Iran, miantso ny governemanta izy ireo mba hiaro ilay farihy izay iray amin'ireo rano masira lehibe indrindra manerana izao...

20 Mey 2012

India: Fifandonana tao Tamil Nadu Noho Ny Fanoherana Ilay Orinasa Mpamokatra Nokleary

Nampitombo ny ahiahin’ny vahoaka ny fametrahana ny  Kudankulam Nuclear Power Project (KKNPP) (Tetikasa Nokleary Matanjaka), ao amin’ny distrikan’i Tirunelvel ao Tamil Nadu, ao India, izay eo am-panamboarana ankehitriny, satria mety hiteraka voka-dratsy tahaka ny  fipoahan’ilay orinasa mpamokatra nokleary  Fukushima  ao Japana izany. Manahy  ny mpikatroka fa rehefa misy  horohoron-tany arahinà  tsunami ao...

11 Mey 2012

Bolivia: Fampandrosoana Misanda Ohatrinona? Fifandirana Momba Ny Lalana TIPNIS

Mbola niteraka fifandirana sy hetsi-panoherana indray ny tetikasa fanamboaran-dalana ao Bolivia izay manavatsava ny Faritanin'ny vazimba teratany sady valan-java-boarim-pirenena Isiboro Sécure (TIPNIS amin'ny teny espaniola)

09 Mey 2012

Armenia: Fandresen'ny Mpikatroka Miaro Ny Tontolo Iainana

Taorian'ny telo volana nisian'ny fihetsiketsehana sy sit-ins tsy ankiato nokarakarain'ireo mpikatroka ho amin'ny tolona hanavotana ny zaridainan'i Mashtots, nanome baiko ny hanesorana hatramin'ny fakany ny foto-drafitrasa efa tafaorina noho ny faharatsian'endriny ny filoha Armeniana, Serzh Sargsyan, antony iray tsy tafiditra tao anatin'ny fandaharam-potoanan'ireo mpitolona manohitra ny fananganana tsy ara-dalàna atao amin'ny iray...