Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2023
Resadresaka nifanaovana tamin'i Aïssatou Fofana, mpanao gazety mpanadihady ara-tontolo iainana ao Côte d'Ivoire
Aïssatou Fofana, ivoariàna mpanao gazety mpanadihady mahay manokana ny tontolo iainana, mizara amin'ny Global Voices ny fahalinany sy ny fanamby atrehany amin'ny asany. Resahany ihany koa ny momba ny sehatra noforoniny
Andrandraina hampiroborobo fizahantany ny hanarenana indray ireo sambo-trano anjato taonany ao amin'ny Farihin'i Dal ao Kashmir
Nankasitrahan'ny rehetra ny fanapahan-kevitry ny governemanta vao haingana hanaisotra ny fandraràna hanavao tanteraka sy famerenana amin'ny laoniny ny ati-tranon'ireo sambo-trano rehetra efa mihoatra ny zato taona nisiana ao Kashmir.
Mitsonika haingana kokoa noho ny nieritreretana azy ny ranomandry ao Himalaya
Maminavina ny fanadihadiana nivoaka vao haingana fa mety hamoy hatramin'ny 80 isanjaton'ny ranomandriny i Himalayas amin'ity taonjato ity, ary hisy fiantraikany amin'ny olona miisa roa lavitrisa mipetraka any amin'ny firenena ambanin'i Azia izany.
Nanala rakotra ny tanànany “smart” voalohany, avy amin'ny anaran'ny filohany teo aloha, i Turkmenistan
Mbola manjavozavo ny hoavin'i Arkadag noho ny fitsipika tsirefesimandidy sy hafahafa ataon'ny governemanta ho an'ireo honina ao aminy
Ahoana ny hamolavolan'ny media ankihy ny hevitry ny daholobe momba ny fahatezana ara-tontolo iainana ao Nigeria
Tsikaritra tamin'ny tati-baovao fa latsaky ny 0,1 isanjaton'ny lahatsoratra navoakan'ny gazety Nizeriana roa nandritra ny roa na telo volana no niresaka fiovan'ny toetrandro
Lavenona eny an-tampon-kandrina (Fivalozana) : doro ala ao Kazakhstan mampiharihary ny kolikoly mirongatra sy ny fampanantenana poakaty nataon'ny governemanta
Nandritra ny telo taona farany monja, doro ala goavana efatra no nitranga tao Avaratra sy Atsinanan'i Kazakhstan, izay niteraka fahapotehana ala maherin'ny 100 000 hektara.
Fiarahana mitantana an'i Belize, lasitra iray amin'ny fiarovana iombonan'ny vondrompiarahamonina
Arovan'i Belize ny tontolo iainana natoraliny, amin'ny alàlan'ny fiarahana mitantana; natao ho ôfisialy ireny ezaka ireny, ao anatina fenitra iray vaovao fiarahana mitantana ireo faritra arovana
Manome vahana vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan ilay mpandala tontolo iainana nahazo loka
Noantsafain'ny Global Voices ny mpandala tontolo iainana Javed Hussain izay nandray ny ‘Lokan'ny vahaolana ara-toetrandro ara-drariny ho an'ny vehivavy’ noho ny asany hiaro ny zon'ny vehivavy mpioty landihazo ao Pakistan.
Arvin, Kalifôrnia: Very ny hoavy, lasa ny fanantenana, nihemotra ny fanomezan-toky
"Tsy niasa tao amin'ny toeram-pambolena intsony ny tompony. Hadinon'izy ireo ny tany, ny fofony, ny fahatsapany azy, ary tsy misy tsaroany afatsy ny fananany azy sy izay azony na veriny teo aminy sisa."
Fitsaràna ao Ekoatora manasongadina ny fifandroritan'ny filàna harena ankibon'ny tany erantany sy ny fiarovana ny zavamananaina
"Ny fihavaozan'ny fahalinana amin'ny fitrandrahana mineraly dia manamafy ny efitra, efa tsy vita nihoarana tany aloha, any amin'ireo toerana manana rohivoary tena goavana isankarazany", hoy i Carlos Varela mpisolovava