Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Iràna

23 Janoary 2019

Iran: Fanentanana ho famotsorana an'i Hamed Saber, bilaogera nogadraina

GV Mpisolovava

Miantso ny famotsorana an'i Hamed Saber ireo mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny oniversite Iraniana sy akademika maherin'ny 70, izay Iraniana bilaogeran-tsary sady mpahay siansa momba ny solosaina nosamborina noho ny antony tsy fantatra ny 21 Jona 2010 tany Teheran.

22 Janoary 2019

FreeAccess Plus!: Miasa manoloana ny fibahanana Web 2.0

GV Mpisolovava

Namoaka ny "FreeAccess Plus!" ny developera Iraniana iray hafa, MohammadR, fanitarana mamadika ny Firefox ho ao amin'ny proxy izay manala ny sivana ao amin'ny tranonkala malaza toy ny YouTube, del.icio.us, Flickr, Technorati.com, FriendSter.com, livejournal.com, MySpace, Hi5 ary ny hafa. Maro amin'ireo vohikala ireo no voaràra ao Iran.

18 Janoary 2019

Iran: Tranonkalam-behivavy 12 no voasivana tao anatin'ny 24 ora

GV Mpisolovava

Nilaza ny Change4equality fa tranonkala Iraniana 12 manohana ny zon'ny vehivavy tahaka ny Change4equality na Photochange no nobahanan'ny manampahefana Iraniana androany 19 Mey 2008.

“Nosamborina” tany Teheran ilay bilaogera Iraniana Hossein Derakhshan  

GV Mpisolovava

Nosamborina tao Tehran ilay bilaogera Iraniana, Hossein Derakhshan (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder), bilaogera mavitrika izay nolazaina matetika ho rain'ny tontolon'ny bilaogy Iraniana.

17 Janoary 2019

Nanonona fikambanana 60 ho mpitsikilon'ny “ady mandambolambo” ny minisiteran'ny fitsikilovana ao Iran

GV Mpisolovava

Vao haingana, dia lisitra ahitana fikambanana 60 no navoakan'ny minisiteran'ny fitsikilovana Iraniana izay miampanga azy ireo fa mazoto amin'ny ady mandambolambo atao amin'ny fitondrana Islamika ao Iran. Heverina ho heloka bevava ary voaràra ny fiarahamiasa amin'ireo fikambanana ireo sy ireo fampahalalam-baovao manana fifandraisana amin'ireo fikambanana ireo.

16 Janoary 2019

Lalàna vaovao ho an'ny mpikatroka antserasera

GV Mpisolovava

Mampiseho ny tatitra avy any Iran fa miha-sarotra sy mampidi-doza ny fepetra ho an'ireo mpikatroka aterineto.

15 Janoary 2019

Avelao hiteny i Hoder!

GV Mpisolovava

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Taorian'ny fampiatoana ny bilaogin'i Hossein Derakhshan (fantatra amin'ny anarana hoe Hoder) avy amin'ny orinasa fampiantranoana bilaogy any Etazonia, Hosting Matters ,dia nisy ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon'ny The Eyeranian ho fanohanana ny zon'i Hoder amin'ny fahalalahana miteny: ” Manan-jo haneho ny...

10 Janoary 2019

Torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny WordPress sy Tor amin'ny teny Persiana

GV Mpisolovava

Efa misy amin'ny teny Persiana noho ny fandikan-teny nataon'ilay bilaogera Iraniana sady namana te-hijanona tsy hotononina anarana Ny torolalana mibilaogy miafina anarana amin'ny Wordpress sy Tor.

07 Janoary 2019

Iran: Nanao bemidina teny amin'ny cybercafe ny polisy

GV Mpisolovava

Nitatitra ny Radio Free Europe fa nanao bemidina tany amin'ireo cybercafe ny polisy ao an-drenivohitr'i Iran ary nanakatona ny 25 noho ny "fampiasana lalao solosaina tsy manara-dalàna sy ny fitehirizana sary vetaveta", ary ny fisian'ny vehivavy tsy manao"hijab araka ny tokony ho izy".

Nosakanan'i Iran ny fidirana ao amin'ny Google sy Gmail

GV Mpisolovava

Nosakanin'i Iran ny fidirana amin'ny mili-pikarohana Google sy ny tolotra maimaim-poanan'ny Google webmail Gmail, hoy ny sampam-baovao Mehr androany. "Afaka manamarina aho fa voasivana ireo tranonkala ireo," hoy i Hamid Shahriari, sekreteran'ny Filan-kevitry ny fampahalalam-baovao Nasionaly Iraniana.