Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Marsa, 2013
Milina Coca Cola ‘Out of Order’ na Simba ao Aostralia
Nisy fanentanana nahasehaka ny firenena manohitra ny Coca Cola taorian'ny fandresena teny anivon'ny Fitsarana momba ny lalàna mahasahana ny fonon'entana tao amin'ny Sisintany Avaratra (Northern Territory) ao Aostralia tamin'ny 4...
Fanamboarana Ireo Paompy Mitete Ho Fikajiana Ny Rano Any Inde
Mety ho nahazo mari-pankasitrahana noho ny asasorany sy ny asatanany ny mpanoratra sy mpanao sary hosodoko Aabid Surti, fa sady nametraka ny dian-tongony taminà sehatra iray hafa ihany koa izy: ny fitehirizana rano. Nandritra ireo fito taona lasa izay, nandany ny Alahadiny mitety ireo trano any Mumbai ilay lehilahy 77 taona, ary manamboatra maimaim-poana ireo paompy mitete
Myanmar: Fanentanana ‘Vonjeo ny Valantsika’
Miaro ny hevitra hoe mandindona ny fahasalamana izy ity, te-hamindra toerana ny valan-javaboahary Yangon izay marika namantarana ny tanàna hatramin'ny 1906 ny gevernemantan'i Myanmar. Manohitra ity sosokevitra ity ny vahoaka sy ny mponina amin'ny aterineto ary miahiahy izy ireo fa toa hitohy amin'ny fananganana hotely eo amin'ilay toerana aorian'ny famindrana izany.
Fatin-kisoa Anarivony No Hita Nitsingevana Teo Amin'ny Reniranon'i Shanghai
Nahangona fatin-kisoa 3.323 ny roa andro nanadiovana ny renirano Huangpu, izay manasasaka an'i Shanghai. Raha nanambara ny fanjakana fa matin'ny andro mangatsiaka ny kisoa fa tsy otrik'aretina akory, maro kosa ireo mponina amin'ny aterineto no tsy dia matoky ity fanambarana ity.
Ny Faritra Mando Lehibe Indrindra Arovana Erantany Napetrak'i Bolivia
Ao anatin'ny Fifanarahana Ramsar, nanendry faritra mando telo vaovao ny governemanta Boliviana ho isan'ny faritra arovana any ‘Llanos of Moxos’, faritra arovana izay manome ny haben'i Pays-Bas sy Belzika mitambatra. Midera ilay fanapahan-kevitra ireo mpikatroka mafàna fo sy fikambanana mpiaro tontolo iainana, no sady manentana ihany koa hiasàna mafy ho fiarovana ny Amazôna.
Bilaogera Shinoa Notànana Rehefa Avy Nataon'ny Polisy Famotorana
Notànana ilay poety Shanghai rehefa avy nataon'ny polisy Shinoa famotorana taorian'ny fandefasany lahatsoratra tao amin'ny bilaogy madinika malaza Sina Weibo, izay miantso ireo mpanaraka azy hiara-hirona hitsangatsangana manamorona ny renirano...
Tosika Orogoaiana Hisian'ny Fitaterana Maharitra
Manangona sonia 10.000 ireo teratany Orogoaina mba hanerena ny governemantan-dry zareo hanolotra fotodrafitrasa mifanaraka amin'ny hisian'ny fitaterana maharitra, manomboka amin'ny faritra natokana ho an'ny bisikilety. Kendrena amin'ity fandraisana andraikitra ity ny handinihana momba ny bisikilety ao anatin'ny drafitra lavitr'ezaka nataon'ny firenena ho toy ny fitaovam-pitaterana maharitra.