Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Desambra, 2013
Lasa “Toerana Masina ho an'ireo Trozona sy Fesotse (Dauphin)” i Orogoay
Nankatoavin'ny Mpanao lalàna ao amin'ny firenena ny lalàna vaovao rny fihazàna, ny jono, na ny fampijaliana ireo trozona sy ireo fesotse (Dauphin), ary navoakan'ny Filoha José Mujica hanan-kery.
Hatsiaka, Orana ary Tondra-drano ao Gaza Amin'ity Ririnina ity
Manodidina ny 10 000 eo ho eo ireo vahoaka Palestiniana any amin'ny faritra avaratr'i Gaza no nafindra monina hiala ireo fonenany taorian'ny efatra andro niavian'ny oram-batravatra.
Nirotsaka Ny Oram-Panala Tao Ejipta Fa Hosoka Kosa Ny Sarin'ny Sphinx Feno Ranomandry
Nalaza haingana ity sarin'ny Sphinx tao Giza, Kairo, ity, raha nandalo ny tafiotran-dranomandry lehibe indrindra tao Ejipta tao anatin'ny 100 taona mahery izay. Saingy misy ny olana amin'ity iray ity na izany aza - tsy tena izy io.
Ny Sanda Ara-Olon'ny Fandrosoana Any India
Loza mananontanona ny trano fonenana sy ny foto-piveloman'ireo mponina ao Jagatsinghapur, India ilay vinavina fananganana orinasa fanamboarana vy acier. Niady araka izay tratry ny heriny tamin'ny governemanta sy ny orinasa nitondra io tetikasa io ireo mpanohitra izany.
Tsia Amin'ny Fitaovam-Piadiana Shimika Syriana Hopotehina Any Albania
Nandeha ny tatitra fa hopotehina any Albania ny tahiram-pitaovam-piadiana Shimika Syriana. Notsipahan'ny governemanta Albaniana ny tolo-kevitra rehefa nahatezitra ny Albaniana ka nidinan'izy ireo an-dalambe.
SARIPIKA: Setroka Mavesatra Manempotra An'i Shina
"Tokony handray ny andraikitra goavana noho ny fahasimban'ny tontolo iainana nateraky ny fahalotoan'ny rivotra eto Shina ny governemanta "
Mpirotsaka An-tsitrapo Avy Any Amin'ireo Tanàna Nidonan'ny Rivomahery Tao Filipina Mizara Tantara Efatra Mety Hampirotsa-dranomaso Anao
Razana tsy mbola voahangona, sisam-paty miandry fanampiana, arabe rakotry ny poti-javatra. Ireo no sasany tamin'ny zavatra hitan'ny mason'ireo mpirotsaka an-tsitrapo tany amin'ireo faritany nidonan'ilay rivomahery tao Filipina
Espaina : Tsy Hita Izay Meloka Tamin'ny Faharendrehan'i ‘Prestige’
Taorian'ny 10 taona nanaovana fanadihadiana sy 9 volana tany am-ponja, nohafahan'ny Fitsarana Avon'i Galice madiodio ireo olona telo voaheloka noho ny heloka vitany tamin'ny tontolo iainana .
Espaina : Nampihovitrovitra Ny Sisintany Espaniola Ilay Tetikasa Castor
Mety ho vokatr'ilay fampidirana entona ao ambany ranomasina amin'ilay toby tantànan'ny tetikasa Castor ilay fihovitrovitry ny tany.