Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Avrily, 2019

30 Avrily 2019

Libanona: Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana

Akademia, Fambolena ary Asa Fanorenana, samy resahana ato anatin'ny lahatsoratra daholo ny amin'ireo lohahevitra ireo. Arahan'ny fenhoankevitra miharo fanantenana sy ahiahy

29 Avrily 2019

Fantaro Ireo Olona Nahavita Niaro Ala Trranainy Efa 12 000 taona Tsy Ho Lasa Toeram-Pitrandrahana Arintany

Efa hatramin'ny andron'ny ranomandry no naha ala ny alan'i Hambach. Nanomboka ny taona 2012, mafana fo maro no niambina ny sisa tavela tamin'ilay ala, tapa-kevitra ny hiaro azy ary hampitsahatra ny fitrandrahana arintany ao Alemana.

28 Avrily 2019

Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia

Tantosa soa aman-tsara ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.

24 Avrily 2019

Topimaso amin'ny tanjon'ny Emirà Arabo Mitambatra mba hanana angovo azo havaozina

Ny firotsahana an-tsehatry ny UAE momba ny resaka fiovàn'ny toetrandro 2021 dia "tsy mifanaraka amin'ny fihazonana ny fiakaran'ny hafanan'ny tany ho ambanin'ny 2°C, raha tsy hiresaka afa-tsy ny famerana azy io ho 1.5°C takian'ny fifanarahana tao Parisy.””

16 Avrily 2019

“Game of Thrones” (Lalaon'ny seza fiandrianana) sy ny Fiovàn'ny toetrandro: miomàna! tonga ny lohataona!

Ny Tetezana - The Bridge

Alaivo sary ao an-tsaina ny tontolo iray misy ankolafy politika mitolona haka fahefana nefa tsy miraharaha ny loza iray mitatao tsy mbola hainy hatrizay hatrizay— nefa mety handringana ny fiarahamonin-dry zareo miaraka amin'ny tsy firaharahiana ny fetran-sisintany napetraky ny olombelona.

15 Avrily 2019

Tahaka izao izany Paska (sy ny tsirony) ao Trinite & Tobago izany

Topimason'ny hoe manao ahoana izany fotoanan'ny paska izany ao amin'ny faritra atsimo indrindra amin'ny vondronosy karaiba izany.

09 Avrily 2019

Môzambika/Brezila: Voatsikera Ny “Diplomasia Etanôla”

Nanameloka mafy ny fifanarahana nataon'i Brezila, ny Firaisambe Eoropeana sy Mozambika ny Friends of the Earth Europe sy ny ONG Justiça Ambiental noho ny fampiroboroana ny famokarana solika biolojika ao Môzambika. Atao kely ny haba ho an'ny etanôla afaran'ny UE fa hotohizan'ny UE ho asiana hetra kosa ny etanôla Breziliàna.

08 Avrily 2019

Libya: Rice, solika sy ny fampiasam-bola vahiny

Tonga ao Libya androany ny sekreteram-panjakana Amerikana, Condoleeza Rice, ary hihaona amin'ny mpitarika Libyana, Muammar Al Gaddafi." Nankasitrahan'ilay bilaogera ny fitsidihana, izay voalohany nataon'ny sekreteram-panjakana Amerikana tao anatin'ny 50 taona mahery, saingy nametraka fanontaniana tahaka ny hafa ihany koa izy.