· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2018

Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity

  21 Oktobra 2018

Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mba hitantana ny hetsika fanentanana amin'ny fanoherana ny kolikoly izy.

Koety: Tonga Amin'ny Fomba Ofisialy Ny Fahavaratra

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fahavaratra ao Koety ary miady hevitra mikasika ireo toerana tsara handosirana ny hafanana ireo blaogera. Tsaratsara kokoa ve ny mitady paradisa voaaro mba hitoniana any an-trano na mandeha any am-pitandranomasina ary mety ho tratran'ny orana sy ny alahelo? Vakio ny famintinana ireo blaogy kowetiana nataon'i Abdullatif Al Omar mba hahafantarana izany.

Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray

  15 Oktobra 2018

Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao Darfour sy mikasika ny maha-voarohitohy an'i Shina.