Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2023
Famotsipotsirana ny olana: Ahiahim-by mavesatra amin'ny famatsian'atodiakohon'i Bangladesh
Ny atody no loharanon'ny proteinina mora vidy indrindra ao Bangladesh. Nahatsikaritra tahan'ny metaly mavesatra ambony anaty atody eny amin'ny toeram-piompiana ao an-tanànan'i Dahaka ny fikarohana vao hainganan, ka miteraka loza ara-pahasalamana.
Taorian'ny rivodoza Maria dia mbola miezaka hatrany Dôminika manorina trano mahatohitra ny fiovaovan'ny toetrandro, ka amin'ny COP28 izy dia hanao adisisika ho an'ny rafitra ara-bola ho an'ireo fatiantoka sy fahasimbàna.
Ny tahirimbola iray ho an'ny fatiantoka sy ny fahasimbàna dia handray anjara be hanome "famatsiambola iray ara-toetrandro tena ilain'ireo firenena faran'izay marefo ravan'ny fiantraika ratsin'ny fiovàn'ny toetrandro
Aostralia-Tuvalu Falepili Union: Ny rariny ara-toetrandro sa ny fifanaraham-piarovana?
"Tsy mahasakana ny fiakarana tsy azo ihodiviran'ny ranomasina ny fanolorana zo hanana toeram-ponenana na zom-pirenena ho an'ireo Tuvalunians, na dia valinteny misy fangorahana fotsiny aza ilay izy."
Taratasy misokatra ho an'ireo mpitarika Karaiba manentana azy ireo mba hampitondra fanovana ny COP28
Namaritra sehatra telo lehibe hanampy amin'ny famahana ireo olana midadasika atrehin'ny faritra ireo mpanao sonia, ao anatin'izany ny tsy fitoviana, ny fahantrana, ary ny "haavon'ny trosa manafintohina", izay vao mainka miharatsy noho ny fiovan'ny toetr'andro.
Topi-maso amin'ny traikefa iainana ny fadimbolana tanatin'ny fahantrana ao Jamaika sy Trinidad sy Tobago
Ny fikambanana tsy mitady tombony any amin'ireo Nosy roa dia mamporisika ny fampiasana kokoa ireo vokatra miaro tontolo iainana, vokatra mbola azo ampiasaina isambolana, ho fomba hiatrehana mivantana ny fadimbolana mandritra ireo trangana fiovan'ny toetrandro.
Manodidina ny 40,000 taonina ireo neurotoxine tahirizina tsy misy fiarovana any Makedonia Avaratra
Nandritra ny taona maro, nampiasain'i Skopje ho toeram-pitsangatsanganana mandritra ny andro iray "anaty natiora" ilay faritra mandra-pahitan'ireo mpanao gazety mpanaramaso ny tsiambaratelo matroka izay niafina tao ambanin'ireo ahi-maitso : fako misy poizina avy any amin'ny taona 1970.