· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jona, 2011

Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy

Shina: TOhodranon'i Three Gorges , Fotoana Natao Hisainana

  05 Jona 2011

Nandritra ny 17 taona nilaina nananganana azy ary mandra-pahatongan'ny fahavitany tamin'ny Oktobra2008, nidehaka i Sina fa io tetikasa io dia hiditra ao anatin'ny asa fananganana sy zava-mahatalanjona erantany. Tao amin'ny fivorian'ny komity mpitantanana ny Filan-kevi-panjakana natao ny 18 May teo, dia nisy fanambaràna iray navoaka nilaza ny voka-dratsy goavana entin'ilay tetikasa Tohodrano Three Gorges.