· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jona, 2013

LAHATSARY: Nanjary Nipariaka ilay Fahendrena Tsy Mihinan-kenan'ity Zazakely Breziliana

  26 Jona 2013

Nanjary lasa lahatsary farany be mpijery indrindra eran-tany ny lahatsary YouTube ahitana an'i Luiz Antonio, zazakely vao telo taona monja manazava amin'ny reniny ny antony tsy itiavany mihinana orita atao sakafo. Miaro ny heviny ity zazakely Breziliana ity hoe tsy tiany ny mihinana hena satria "rehefa hohanintsika ny biby, dia maty izy ireny," ary satria tiany ny mahita biby, "mijoro, faly", ary nazavainy fa tokony "hikarakara azy ireo" isika fa tsy hoe hihinana azy ireo akory."

Taorian'ny Nanadihadiany Ny Farihy Misy Poizina Nisy Nanafika Tany Rosia Ny Mpitoraka Bilaogy Iray Momba ny Tontolo Iainana

Lasa faritra mampidi-doza ho an'ny hafanam-pon'ny vahoaka ao Rosia ny fiarovana ny tontolo iainana—farafaharatsiny rehefa voakasika ny fandotoana atao'ny indostria. Izany dia satria matetika mifanohitra mivantana amin'ireo tombotsoan'ny fandraharahana isam-paritra, izay matetika mihetsika amin-kerisetra, ireo mafana fo mikasika ny tontolo iainana. Ohatra mivaingana iray: nisy olona tsy fantatra nanafika ary nidaroka mafy ny mpitoraka bilaogy iray mikasika ny tontolo iainana avy any amin'ilay vohitra indostrialy salantsalany any Pervoural ho valifaty tamin'ny fanentanana nataony mikasika ny fako arian'ny mpamokatra krôma iray mankany amin'ny ony Chusovaya.

Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata

  08 Jona 2013

Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.