Zavon-tsetroka Tao Azia Atsimo Atsinanana, Atao An-kira Anaty Lahatsary

(Fanamarihana: Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Ilay Maleziana bilaogera, Kean-Jim Lim, no nampiditra ity lahatsarin-kira (MV) ity, nataonà Maleziana vitsivitsy manohitra ny zavon-tsetroka ateraky ny fanapahana sy fandoroana faritra hanaovana fambolena any amin'ny nosy indoneziana Sumatra eo akaikiny eo.

Amin'ny teny Kantoney sy Maley ity MV ity.  Eny, tena marina mihitsy ary tena milaza ny zavamisy momba ny zavatra iainan'ireo Maleziana ao Malezia tamin'ny Oktobra 2006.


Araka ny voalazan'ny iray amin'ireo mpikambana ao anatin'ny tarika namokatra azy, izay nampakatra ilay lahatsary ho ao amin'ny Youtube, ny antony nanosika ny famokarana ilay lahatsary dia

nampitombo ny ahiahy ny fitomboan'ireo fomba fanao amin'ny fanapahana sy fandoroana faritra hanaovana fambolena ao Indonezia (Sumatra) , sao sanatria hiteraka toedraharaha iray hafa indray toy izay nitranga ny taona 1997. (Martsa 2000) Toa hita ho mbola mitranga ihany izany … tamin'ny Aogositra 2002, ary avy eo indray tamin'ny Aogositra 2005 dia amin'izao Oktobra 2006 izao. Isaoranay ianao ry Indonezia manome anay tontolo mampanonofy tsy misy hafa amin'ny tanànan'i Londona!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.