Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2023
Gabôna, firenena fakàn-tàhaka amin'ny fitrohana ny entona karbôna
Mety hanosika ireo manampahefana handinika ny pôlitikany momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fikajiana ny ala ireo fanamby ara-tsôsialy sy toekarena atrehan'i Gabôna
Manamafy ny ezaka hiarovana ireo loharanony tsy ananam-piry i Barbados
Tetikasa an-tapitrisa dolara no hanamafy ny famatsian-drano ao Barbados amin'ny fampidirana angovo azo havaozina ho amin'ny rafitra, hampiroborobo ny fanangonan-dranon'orana, ary hanentanana ny fiantraikan'ny krizin’ny toetr’andro amin'ny zavamisy.
Media nomerika, misy fiantraikany ve ao anatin'ny fomba fanao miaro maharitra ny tontolo iainana ao Nizerià?
Fanjakana telo monja ao Nizerià, raha oharina amin'ny fito tamin'ny taona 2021, no madio ara-tontolo iainana. Asongadin'izany ny filàna fahatsapana lalina kokoa ny andraikitra sy ny fahatsiarovantena mikasika ny fomba fanao maharitra eo amin'ny olom-pirenena.
Miady amin'ny fandringanana tsy mitsahatra ny alan'i Akbelen any Torkia ireto vehivavy ireto
Fikambanana miisa 300 eo ho eo no nivondrona ao anatin'ny antson'ny mponina mba hampitsaharana ny asa fitrandrahana sy fandringanana ala rehetra ao amin'ny faritra, araka ny fanambarana navoaka tamin'ny 28 Jolay.
Burkina-Faso : Fahalotoana mahatsiravin'ny rivotra ao Ouagadougou vokatry ny fikatsahana tombontsoa pôlitika
Amin'ny tanàna iray ao amin'ny renivohitra borkinabe, misy toerana fitrandrahana vato granita manapoizina isanandro ny mponina manodidina, saingy tsy mihetsika ireo manampahefana ao an-toerana misahana ny fahasalamam-bahoaka
Mitodika amin'ireo dinôzôrony i Môngôlia mba hisarihana bebe kokoa an'ireo mpizahatany
Amin'ireo karazana dinôzôro 400 hita hatreto, 80 no avy any Atsimon'i Môngôlia, izay niaina nandritra ny vanim-potoana Crétacé tamin'ny vanim-potoana Mesôzôika.
Fanavaozana mateza: Dang, taimboraka avadik'i Nepal ho angovo
Efa ho ny 90 isanjaton'ny fako ao Ghorahi distrikan'i Dang an-tsaha amin'ny ilany no fonjan'aina (biomass) ahitana fakon-dakozia, sisa sy tain'omby izay azo avadika ho etona methane fandrehitra.