Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2022
Mitohy ny fitiliana COVID na eo aza ny fiakaran'ny hafanàna, ny haintany, ny fahatapahan-jiro sy ala may
Nizaka onjan-kafanana sy haintany henjana be tsy mbola nisy teo amin'ny tantarany i Shina. Na izany aza, tsy nahasakana azy tsy hiroso amin'ny fanaovana fitiliana COVID-19 manerana ny firenena anefa ireo loza voajanahary
Dia mamakivaky an'i Himalaya hitady holatra
Himalaya : andiany iray mpahay momba ny holatra, nisy Nepaley sy Amerikàna, no namantatra karazany miisa 150 nandritra ny dia naharitra telo herinandro nataon-dry zareo nankeny amin'ny toeram-pitobiana tao Mont Everest.
Fitohanan'ny fifamoivoizana mamaivay eny amin'ny araben'i Lagos ao Nizeria
Rehefa mitondra fiara ao Lagos, sahala amin'ny toa tezitra ny olona rehetra na sosotra mihitsy. Saingy aza matahotra fa vetivety foana dia ho hitanao koa fa ho tezitra ianao.
Ny tantaran'ilay tetikasa fampandrosoana izay nandrava tanànakely tao Angola
Nanomboka tamin'ny faramparan'ny taona 2019 ny asa fanamboarana lakandrano ary mikendry ny hanamaivanana ny vokatry ny hain-tany, ny tsy fahampian'ny orana ary ny tsy fahampian-drano ao amin'ny faritanin'i Cunene.
Miomana hiatrika tafiotra trôpikaly ny faritra atsimon'i Karaiba
Miaraka amin'ny vinavina hoe "ho ambony noho ny tokony ho izy" ny vanimpotoanan'ny rivodoza transatlantika 2002 , ny toetrandro farany indrindra manana ny sata maha-tafiotra mahery azy dia ilay iray niomankomana ao atsimon'i Karaiba.
Nahoana no mihinana plastika ireo voron-dranomasina ? Ny fomba fanampian'ny tetikasa siantifika an'olompirenena ao Pôlônina hitadiavana vahaolana
Fanontaniana iray tany am-piandohana momba ny antony manosika ireo voron-dranomasina hihevitra ny plastika ho sakafo no lasa tetikasa siantifika iray mahomby nataon'olontsotra
Mampihena ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro any Gran Chaco, Amerika Atsimo ny tetikasa fampifandraisana nomerika
Ahafahan'ny vondrom-piarahamonina Gran Chaco mandamina, mifandray ary mihetsika amin'ny fomba ara-potoana kokoa amin'ny hamehana ara-toetr'andro ny fifandraisana sy ny fidirana amin'ny teknolojia.