Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Oktobra, 2016

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2016

26 Oktobra 2016

Mila Ny Vaovao Farany Momba Ny Tondradrano Any Jakarta ? Misy Ny Fampiasa Ho An'Izany.

Manampy ny mponina any Jakarta amin'ny fanatsaràna ny vahaolan'ny governemanta amin'ny tondradrano matetika ilay fampiasan'ny haino aman-jery sosialy ao amin'ilay "labaoratoara velon'ny loza voajanahary".

24 Oktobra 2016

Hahatratra ny Fampanantenany Angovo Azo Havaozina Ve i Libanona Amin'ny Taona 2020?

Tsy vaovao amin'ny kirizin'ny fiarahamonina sy angovo i Libanona, fa kosa maro ireo miezaka miady amin'izany.

18 Oktobra 2016

Mpiaro Ny Tontolo Iainana Iray Hafa Maty Nisy Namono Tao Amazônia

Mpamono olona anankiroa, nitaingina môtô, no namono nahafaty an'i Luís Alberto Araújo, 54 taona, Sekreteran'ny Tontolo Iainana ao Altamira, fanjakan'i Pará tamin'ny alakamisy 13 oktobra lasa teo.

17 Oktobra 2016

Mitendry Hira Klasika eo Anivon'ny Toeram-Pako Ho Endri-Panoherana

Nikarakara kaonseritra klasika eo afovoan'ny fako eo am-pidirana ny tanànan'i Tetovo, iray amin'ireo tanàna ao Eoropa tratran'ny fandotoana indrindra, ny mpikatroka ara-tontolo iainana ao an-toerana.

12 Oktobra 2016

Firaisankinan'i Pôrtô Rikana, Namiratra ao Anatin'ny Fahatapahan-Jiro Manerana Ny Tangoro-Nosy

Fisedrana ady sarotra ny fahatapahan-jiro ho an'ny Pôrtôrikana, saingy nampivoaka ihany koa ny tsara indrindra tao amin'ny maro.

11 Oktobra 2016

Afa-nandositra Ny Hatezeran'i Matthew i Jamaika – Saingy Raharaha Manahirana Ny Fiomanana Amin'ny Rivo-doza

Mbola miady ny fomba tsara indrindra hiomanana amin'ny faharavana lehibe atrehany isaky vanim-potoanan'ny rivodoza ireo firenena Karaibeana -- Nahatsikaritra lesoka vitsy ireo mpisera Jamaikana tamin'ny fiomanana iatrehana ny Rivo-doza Matthew.

07 Oktobra 2016

Enim-bolana Taorian'ny Fahafatesan-Trondro Maro dia Maro Tao Afovoan'i Vietnam, Manao Fihetsiketsehana Manohitra ny Tsy Fisian'ny Fanampiana Ireo Olona An'arivony

"Fantatray fa tsy hanome rariny ho anay ity fitondrana ity. Tsy misolo tena ny mahasoa ny niharam-boina izy ireo. (Saingy) raha tsy miloa-bava ny olona, tsy misy olona hahatsapa ny fanerena."

05 Oktobra 2016

Vokiso Ireo Sary Avy Ao An-dRenivohitr'i Brunei ny Masonao, Ny Andro Tsy Nitondràna Fiara Namakivaky Azy

Hetsika natao mba "handrisihana mponina betsaka kokoa haka fomba fiaina mahasalama ary madio kokoa ary hampihenana ny fandefasana entona karbona ao an-tanàna" ny andro tsy itondràna fiara ao Brunei.

02 Oktobra 2016

Fifangaroan'ny Poizina Fitrandrahana Tsy Ara-dalàna sy Kolikoly, Mandravarava Ny Ala Antitra Indrindran'i Eorôpa

Asehon'ilay horonantsary fanadihadiana “Clear Cut Crime” ny vokatra misy poizina ateraky ny fifanenàn'ny fikapàna ala tsy ara-dalàna sy ireo politisiana ao Romania sy Okraina.