Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2012
Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila
Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan'ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy. Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do...
Hetsika Nandritra ny “Diabe Maitso” tao Malezia
Olona 70 no nandray anjara tamin'ny fiandohan'ny ‘Diabe Maitso’ tao Malezia tamin'ny 13 Novambra tao Kuantan. Taorian'ny diabe 13 andro sy 300 kilometatra nanavatsava ny firenena, nifarana tao an-drenivohitry ny firenena ny diabe izay olona maherin'ny 15.000 no nandray anjara sy nanohana tamin'izany. Ny vondrona Himpunan Hijau no nikarakara ny ‘diabe lavitr'ezaka’ ho fanoherana...
Maneho An-Tsarintany Ny Fandotoana Ny Ranon'ny Vazimba Teratany Peroviana
Tao amin'ny The Engine Room no nalefa voalohany ity lahatsoratra ity. Niroborobo ny toekarena tao Però noho ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany nahazoana dolara amina miliara. Raha nanomboka tetikasa vaovao ireo mpitrandraka sy mpandavaka, inona ny fiantraikan'izany amin'ireo vahoaka izay monina akaikin'izy ireo? Ny olana iray ohatra dia ny loharano voaloto izay mitarika aretina sy fahafatesana....
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena...
Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra
Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro...
Trinidad & Tobago: Mpitokona Tsy Hihinankanina Niomana Handeha Lavitra Hanohitra Ny Fanaovana Lalambe Migodàna
Niditra tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Dr. Wayne Kublalsingh, mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana tontolo iainana sady profesora mpampianatra literatiora, mba hanoherany ny fanorenana ilay ampahana-dalan'ilay lalambe migodana antsoina hoe Debe to Mon Desir miainga avy ao San Fernando mankany Point Fortin any atsimo atsinanan'i Trinidad. Mifanakalo resaka ireo bilaogera...
Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia
Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita Firy ao Pahang, Malezia. Taitra tamin'ny fahalotoana manimba ny tontolo iainana [zh] avy amin'ny vovo-tany tsy fahita firy ao Shina ny vondrona...
Afrika: Fihazana Tsy Ara-dalàna Ireo Elefanta ao Mozambika
Nitantara momba ny fihazana tsy ara-dalàna ireo elefanta ao amin'ny valan-javaboaharin'i Mareja [anglisy], ao Cabo Delgado, avaratr'i Mozambika ny lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety @Verdade. Araka ny voalaza ao amin'ny lahatsoratra, andiana mpihaza an-tsokosoko miaraka amin'ny «fitaovam-piadiana arifomba» no « mamono ireo elefanta» ary «maka ampahany goavambe amin'izany» : Isan-kerinandro, biby roa farafahakeliny no vonoina, mba...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...