· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2011

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

27 Oktobra 2011

Blog Action Day 2011: Andao Hiresaka Momba Ny Sakafo

Ny Blog Action Day dia hetsika fanao isan-taona izay iarahan'ireo mpitoraka bilaogy eran-tany manoratra mikasika ny olana iray ao anatin'ny andro iray. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny sakafo, satria ny Blog Action Day dia mifandraika amin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny sakafo, hetsika iray karakarain'ny Sampan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena.

13 Oktobra 2011

Mametraka an-tsarintany ny tondra-drano any Thailandy

Amin'izao fotoana anoratana izao, 252 no efa maty ao Thailandy noho ny oram-batravatra naharitra roa volana izao. Faritra maro ao Bangkok, renivohitry ny firenena, no efa difotry ny rano tondraka. Natsangana ny Sarintany An-tserasera hanaraha-maso ny fizotry ny tondra-drano sy hampilaza ny olona izay mety ho fiitatry ny voina.

10 Oktobra 2011

Myanmar: Naaton'ny Filoha ny Fananganana Tohodrano

Nanaitra ny maro ny nataon'ny fitondran'i Myanmar tamin'ny baiko fampiatoana ny fananganana ilay tohodrano niteraka andihevitra ho valin'ny fanoherana sy ny fanangonan-tsonia nataon'ny tambanivohitra sy ny fiarahamonim-pirenena. Adikan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices mydaydream ho antsika ny vaovao amin'ny teny Birmana sy ny domberina azo tamin'ny fampiatoana ny tetikasa

05 Oktobra 2011