Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Mey, 2014
GV Face: Ny Vahoaka No Herin'ny Vonjitaitra Noho Ny Tondradrano Ao Serbia

Niresaka tamin' ireo namantsika any Serbia isika tamin'ity herinandro ity mikasika ny ezaka fifanampiana. Inona ary ny dingana manaraka ho an'ny mponina sy ny governemanta? Ary nahoana no mitebiteby ny amin'ny fandrahonana mahazo azy ny haino aman-jery sosialy?
Mpiady Amin'ny Fiovan'ny Toetr'Andro Ao Amin'ny Firenena Nosy Kiribati
Nandritra ny fotoana naha-mpikatroka mafàna fo ahy tamin'ny ady atao amin'ny fiovan'ny toetr'andro, dia efa noraisina ho ohatry ny nosy amin'ny faritra ambanin'i Pasifika iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro foana i Kiribati.
‘Selfizm-Pako’ Hanadiovana an'i Tonizia
Mamoaka "selfizm-pako" ho fiampangana ny fisavovon'ny fako manamorona ny araben'ny firenena ny mpiseran'ny fampitam-baovao sosialy ao Tonizia.
SARIPIKA: Mamelana Ny Tabeboia Ao Trinite & Tobago
Vatosoan'ny andro mainan'i Trinite sy Tobago, manome famirapiratana farany eo am-piandrasana fatratra ny vanim-potoanan'ny orana ao amin'ny firenena ny hazo Poui (Tabeboia) mavo sy raozy mamelana.
Ahoana no hanatanterahanao ny “Alatsinainy tsy mihinan-kena” any Trinite sy Tobago ?
Manaja ny Alatsinainy tsy misy hena ny blaogera iray any Karaiba, fanamby atao any amin'ny firenena iray mpankafy hena.
Enim-bolana Aty Aoriana, Manohy Mitaky Famonjena Sy Ny Rariny Ireo Niharam-boina Tamin'ny Tafio-drivotra Haiyan Tao Filipina
Enim-bolana taorian'ny tafio-drivotra mahery vaika namindra toerana ireo mponina an'arivony ao afovoan'i Filipina. Mbola manohy mitaky fanampiana sy ny rariny ireo nieren-doza. Mampihisatra ny fanampiana ny tsy fisian'ny drafitr'asa matipaika avy amin'ny governemanta.