Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Febroary, 2012

23 Febroary 2012

Hongria: Misy Loza Iray Hafa Miforona Mandrahona ny Tontolo Iainana

Ny Oktobra, nitarika loza goavana indrindra teo amin'ny tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Hongria tato ho ato ny firarahana fotaka mena mahafaty avy amin'ny fitahirizana tany Kolontár. Mampifantoka ny saina amina fitahirizana fakon'akora mampidi-doza ny Atlatszo.hu sy ny Greenpeace, any amin'ny vohitr'i Almásfüzitő, izay "mitete tahaka ny spaonjy" ary efa...

18 Febroary 2012

Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana

Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny  gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo amin'ny mponin'i Hong Kong ny nanasoniavan'ny fitondrana ao Hong Kong sy ny fitondrana ao Guangdong tsy nisy fakana ny hevitry...

10 Febroary 2012

Makedonia: Mikatona Ny Famoahana Mangarahara An-Tserasera ny Fahalotoan'ny Rivotra Ao Skopje

Nitsaha-ketrika nanomboka ny fiandohan'ny taona 2012 ny rafi-panaraha-maso antserasera "Fisefoana Skopje" mampafantatra ny olona ny taham-pahalotoan-drivotra. Mandika antsoratra ny fanazavan'ny ONG iray ao an-toerana ny tokony hanarenana ity fitaovana sarobidy ity ho antsika i Filip Stojanovski.

09 Febroary 2012

Pero: Fiomanana Tamin'ny Diabe Goavana Ho An'ny Rano

Tafiditra ao anatin'ireo hetsika hanoherana tetikasam-pitrandrahana Conga ao Cajamarca, niainga tao Cajamarca ny 1 Febroary ny "Diabe goavana iray ho an'ny Rano". Teny anivon'ny media sosialy dia nizara ny zotra hodiavina, lahatsary, saripika, saribe sy ny fanehoan-keviny ireo mpiondana aterineto.

07 Febroary 2012

Panama: Nosakanan'ireo Mponina Teratany ny Làla-migodana Pan-Amerikana Ho Fanoherana Ny Fitrandrahana

Todo lo acordado con los indígenas ha sido cumplido. Ahora elementos foráneos desean que no haya hidroeléctricas. Eso hará triplicar la luz Notontosaina tsara izay nifanarahana tamin'ireo mponina teratany. Ankehitriny tsy mila herinaratra ny olona hafa ao an-tanàna. Hampitombo avo telo heny ny jiro fanazavana izany. Toy izany no fomba nanehoan'ny Filoha...

06 Febroary 2012

Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo vondrom-bahoaka eny amin'ny faritra  akaiky ny toby fitrandrahana  fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainanany sy ny fomba fivelomana...

05 Febroary 2012

Lahatsary Misongadina: Mozika, Tetikasa Ho An'ireo Zanatany, Hatezerana Ary Zava-mahagaga

Lisitr'ireo tantara vao haingana sy mahaliana ka anisan'izany ireo lahatsary avy any Amerika Latina, Azia Antsinanana, Afrika Antsinanana Afovoany sy Avaratra ary Eoropa Antsinanana sy Afovoany, nofantenan'i Juliana Rincón Parra.

03 Febroary 2012

Malezia: Sakan'ny Temiar Sy Ny Zon'Ireo Vazimba Teratany

Olona zanatany Temiar valo (fantatra koa amin'ny hoe Orang Asli) any Malaysia no voasambotry ny polisy noho ny fanandraman-dry zareohametraka sakana sy nandràra ireo mpitevy ala tsy hiditra ny tanànan-dry zareo ao Gua Musang, Kelantan. Toherin'ireo mponina ao an-tanàna ny tetikasam-pambolena noraisin'ny governemanta ao an-toerana izay ilàna fanapahana hazo ala...

02 Febroary 2012

Filipina: Tsy Ekena Ny Hanoloana Ny Alaala Ho Tranombarotra

Nitsena hetsika goavana avy amin'ny mponina iharany sy avy amin'ny fikambanana isan-karazany ny drafitry ny tranombarotra SM City Baguio ao avaratr'i Filipina hanongotra hazo an-jatony ka hanoloana azy ho tobim-piara sy toeram-pialamboly