Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jona, 2018
Maraoka: Tsy ny orana irery ihany no fototry ny olana rehetra
Tany Maraoka, nanosika ireo bilaogera haneho ny tsy fahafaliany tamin'ny aterineto ny tondra-drano noho ny tsy fahampian'ny foto-drafitrasan'ny kaominina. Nihodina ny tanàndehibe izy ireo, naka sary sy horonantsary ary nizara ireo tranga niseho izay tsy dia fahita loatra ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra. Ireto ny tatitra nataon'izy ireo.
“Voaloboka saosisy” Nepaley: Malaza ao amin'ny Fanjakana Britanika, tsy fantatra ao Nepal
"Mamboly sy mihinana voankazo teratany vahiny tahaka ny zavokà sy kiwi isika, ary mividy azy ireo amin'ny vidiny lafo. Na dia izany aza, tsy fantatsika ankory fa mivarotra voankazo matsiro avy amin'ny alantsika manokana ny vahiny."
Indonezia: Tondra-drano tany amin'ireo faritany miisa 13
Niaina tondra-drano nandritra ny herinandro noho ny oram-batravatra ny faritany miisa 13 tany Indonezia. Namoizana ain'olona miisa 14 ny loza nitranga raha telo hafa kosa no tsy hita . Olona mihoatra ny 50.000 no voatery nafindra toerana. Nihoatra ny roa metatra ny rano tao Jakarta, renivohitr'i Indonezia.
Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana
Olona maherin'ny 80 no maty ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.
MENA: Mitondra fifaliana ve ny orana sa fahoriana e?
Maro tamin'ireo bilaogera sy mpisera Twitter avy ao Ejipta sy ny faritra maro ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra no nitatitra ny fisian'ny orana sy tadiom-bovoka androany [18 janoary 2010]. Arakaraka ny toe-draharaha, ny sasany tsara fandray ny pitik'orana amin-kafaliana raha misedra tadio, tondra-drano ary fahavakisam-po kosa ny hafa.
Kolombia: Ny horohorontany no namantarana ny fisian'i Necoclí
Tamin'ny 2 Martsa 2011, nisy horohorontany nahatratra 5,5 amin'ny mari-pandrefesana Ritcher tany amin'ny faritr'i Antioquia, any avaratr'i Kolombia. Ny fisian'ny horohorontany vao fantatry ny maro ny kaominin'i Necoclí, toerana nisy ny ivony.
Port Harcourt: ny ‘setroka mainty matevina’ ao an-tanàndehiben'i Nizeria
Mahatonga homamiadana sy areti-tratra ny setroka mainty, ary mampitombo ny tahan'ny aretim-po ny miaina maharitra ao anaty setroka mainty .
Olana goavana ny fako plastika ao Oganda
"Afaka manao toy izany ihany koa ianao ... ny fahazarana ho an'ny mpandeha ny manary fako eny an-dalana rehefa mandeha izy ireo. Tazony ny fakonao ary ario izany rehefa tonga any amin'izay alehanao ianao."
Miasa miaraka ny mpikatroka Taiwaney sy ny mpikatroka Vietnamiana hanome rariny ara-pitsarana ireo tra-boinan'ny fiainana an-dranomasin'i Vietnam
"Raha efa nizaka izao karazam-pangirifiriana izao isika, dia tsy tokony hanavesetra izany amin'i Vietnam."
Ny fiovan'ny toetrandro aty Afrika: Feo avy any Kenya sy any am-pielezana
Mifantoka amin'ny adihevitra momba ny fifandraisana misy eo amin'ny fiakaran'ny hafanana any amin'ireo toerana izay antonony teo aloha ao Nairobi, sy ny fiverenan'ny tazomoka indray ny bilaogy momba ny tontolo iainana sy politika ao Kenya.