· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jolay, 2017

Tontolo Iainana : Bilaogy Miresaka ny Tontolo Iainana, Angon-Dahatsoratra Manerantany

  21 Jolay 2017

Miresaka ireo olana marobe mahakasika manokana ny faritra misy azy, nefa mampitebiteby ny erantany ireo bilaogy miresaka ny tontolo iainana manerantany. Saintsainin'ny bilaogy Gorilla Protection (fiarovana ny Rajako) any RDC ny dikan'ilay fifanarahana fandriampahalemana. Avy amin'ny China Dialogue, ny fijerena ny tohin'ilay fihaonana momba ny ady amin'ny fiovaovàn'ny toetrandro tany Bali, ary avy any Afrika Atsimo ireo fanehoankevitra momba ny fahatapahan'ny herinaratra vao haingana sy ny fifaninanana fiara tsy manimba tontolo iainana.

Brezila: Ny Sarin'ny Ririnina Narahina Orambe Mivatravatra

  19 Jolay 2017

Nandalovan'ny tafio-drivotra mafy ny fanjakana Breziliana maro. Olona miisa fito no maty tany amin'ny fanjakana Santa Catarina sy Rio Grande do Sul, atsimon'i Brezila, raha efatra kosa no maty tao amin'ireo tranobongo tao Sao Paulo. Nalaina tamin'ny faritra samihafa tao amin'ny firenena ny sary eto ambany.