Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Septambra, 2014
Inona avy no Mety Hahazoana ny Aretina Ebola Eto Madagasikara ary efa Misy Ve Rafitra Ara-Pahasalamana Iatrehana Izany ?
Nisy fanadihadiana nanamafy fa misy firenena afrikana 15 ahiana ho mora tratrany satria mitovitovy toetra ara-pahasalamana amin'ireo firenena efa tratrany. Ao anatin'izany i Madagasikara. Nanamafy i Kolo Roger fa efa vonona i Madagasikara, misalasala amin'izany kosa ny hafa.
Vonona Hijoro Noho Ny Fahasimban'ny Toetr'Andro ny Mpiadin'ny Toetr'Andron'i Pasifika ao Fiji
Andian-tsary manome topimaso ireo "Mpiadin'ny Toetr'Andron'i Pasifika" avy ao Fiji eo am-panomanana ny adin-dry zareo mbola ho afa-mijoro [misy] miady amin'ny fahasimban'ny toetr'andro.
Miantso Vonjy Sy Mitady Fanampiana Ao Amin'ny Twitter ny Indiana Noho ny Tondra-Drano
"Mivatravatra tsy misy tahaka izany ny orana ao Kashmir. Difotra ny lalana sy ny renirano. Afindra toerana amin'ny toerana azo antoka kokoa ny olona."
Mponin'ny Nosy Pasifika Handefa Lakana Hanakanana Ny Fananganana Seranan-Tsambon'ny Fitrandrahana Arintany Lehibe Indrindra Manerantany
Manondrana fahasimbana mbola tsy nisy toy izany ao amin'ireo nosy Pasifika ny seranan'i Newcastle, ary eo an-dalana ny fikasana hanitatra izany.
3 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandokoana Fefy Taminà ‘Loko Atsifotra’ ? Fotoana izao Hitenenanao Hoe : ‘Tsia’
Nanao fanentanana ny " Avoahy Vitishko", fanangonan-tsonia amin'ny alàlan'ny sehatra iraisam-pirenena "Avaaz" ireo mpikambana tamin'ity lohataona ity. Mitaky ny famoahana ny fonja tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra ilay mpandàla ny tontolo iainana.