Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2017

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2017

27 Novambra 2017

Carabaos Sy Ny Tanimbary: Topimaso Amin'ny Fiainana Any Ambanivohitr'i Filipina

Amin'ireo sary izay ifampizaràny amin'ny Global voices, tsy ireo sehatra mampiavaka manokana ao amin'ny tanàna iray mpamboly ihany akory no nopihany ho sary, fa angamba koa, mety tsy ho tsy fanahy niniany, ny endriky ny fambolena ao Filipina.

26 Novambra 2017

Tsirim-Panantenàna Amin'ny Famerenana An'i Dominika Amin'ny Laoniny Taorian'ny Rivodoza Maria

"Ho hitanao ny fahasamihafàna goavana amin'ny fiovan'ny tontolo taza-maso taorian'ny tafio-drivotra[...] Eo am-panomanana horonantsary fohy aho, izay antenaina fa haneho ny fiverenan'ny maitso mandrobona amin'ny tontolo tazan'ny masontsika. "

22 Novambra 2017

Sidina Ambonin'ny Tontolon'ny Blaogy Irakiana

...mahaliana izay mitranga, sady manan-danja. Noho izany tsy maintsy resahako anareo.

19 Novambra 2017

Meksika-Etazonia: Lahatsary Avy Amin'ny Andaniny sy Ankilan'ny Sisintany

Frontera Filmmakers dia tranonkala mampivondrona ireo mpamokatra horonantsary avy amin'ny andaniny sy ankilan'ny sisintanin'i Meksika sy Etazonia, izay mirefy  625 kilaometatra manelanelana an'i Arizona sy ny tany efitra Sonoran, ary mampiseho ny hetsiky ny olom-pirenena isankarazany. Ireto misy lahatsary miisa telo izay anisan'ireo atolotry ny tranonkala.

16 Novambra 2017

Iran : Andiana Tafiodrivotra Nifanesisesy

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, maro ireo tanàndehibe Iraniana any atsimo sy atsimo-atsinanan'ny firenena no nandalovan'ny tafiodrivotra maromaro. Bilaogera Iraniana maro no nitsikera ny fampahalalam-baovao Iraniana noho ny tsy fitaterany azy ireo ka dia namoaka ny lahatsary sy sary antserasera maromaro izy ireo.

Krizy Nokleary ao Iran, Ireo Nosy Ao Amin'ny Helodrano Persiana ary Fanampiana Ara-bola Ho An'i Palestina

Nivory ireo mpikambana maharitra ao amin'ny Filan-kevi-piarovan'ny Firenena Mikambana sy Alemaina mba hiresaka momba ny hetsika iraisan'izy ireo manohitra an'i Iran ary lohahevitra mafàna ao amin'ny fampahalalam-baovao sy bilaogy Iraniana ilay antsoina hoe "krizy nokleary".

14 Novambra 2017

Mpikatroka Miatrika Sazy An-tranomaizina Noho Ny Bokiny Mitsikera Ny Tetikasa Fampifandraisana Ny Renirano Indiana

Niampanga mpampianatra sady mpikaroka ary mpikatroka antsoina hoe T. Jayaraman ny polisy ao amin'ny fanjakan'i Indonezia Atsimo-Atsinanan'i Tamil Nadu noho ny fanehoan-kevitra voalaza fa nataony tao amin'ny bokiny izay nolazaina fa manohitra ny fiandrianam-pirenena.

05 Novambra 2017

Libanona: Dika sy Vokany

Ny hoe mahantra ao Libanona dia tsy hoe fotsiny kely ny vola miditra aminao, fa koa tsy afaka mahazo rano madio ianao, tsy afaka mandeha an-tsekoly ary tsy manana hialofana

03 Novambra 2017

Indonezia: Ireo Tondradrano Nampihitsoka Ny Renivohitra Sy Ireo Mponina Tao Aminy

Nisarika ny sain'ny media iraisam-pirenena indray i Indonezia noho ny loza voajanahary iray hafa. Tamin'ity indray mitoraka ity (2007), Jakarta renivohitra indray no nolalovan'ireo tondradrano ratsy indrindra tao anatin'ny dimy taona.

Ao Trinite Sy Tobago, Tsy ‘Zavatra Kely’ Ny Firaisankinam-bahoaka Taorian'ny Tondradrano

Raha "tsy mana-kolazaina" ny ankamaroan'ny olona mba hamaritana ny fahavoazana vokatry ny tondradrano dia niantso ny zava-nitrana ho "kely" ny filoha lefitry ny sampan-draharahan'ny voina ao amin'ny firenena .