Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2013
Morontsiraka Katalana Niharan'ny Fihovitry Ny Tany In-300
Horohorontany maherin'ny 300 no namely ny morontsirak'i Catalogne. Mety misy ifandraisany amin'ireo asa fitehirizana entona avy amin'ilay tetikasa Castor izany.
Niteraka Onjanà Bitsika Mahery ilay Horohorontany Tao Trinidad & Tobago
Raha toa ka nisy maridrefy azo nandrefesana ny filazam-baovao sosialy, dia isan'ny avo dia avo mihitsy ireo fanehoan-kevitra mikasika ilay horohorontany ny alin'ny 11 Oktobra 2013 , raha tsy hijery afatsy ny tao amin'ny Twitter sy Facebook.
90 % -n'i Madagasikara No Tsy Mandray Afa-tsy 2 Dolara Isanandro. Fa Nahoana?
Ity fizarana ity dia hiresaka ny fitontonganan'ny fiainana sosialy sy ara-toekaren'i Madagasikara ary ireo vahaolana tokony hosaintsainina.
Tambajotra Fanaraha-Maso Ny Fandotoan-dRivotra Ao Shina: Kely Loatra, Tara Loatra?
Nidina tamin'i Beijing sy ny manodidina azy nandritra ny vakansy ny zavon-tsetroka matevina, ka nanery ny manampahefana Shinoa hamoaka ny rafitra fanaraha-maso ny fandoto [pollution]. Tsy faly ny mpiserasera.
Manao Diabe An-jatony Kilometatra Ireo Mpanohitra Hamonjena Ireo Sundarbans Amin'ny Tobin'herinaratra Ahodin'ny Arintany
14 km fotsiny miala an'ireo Sundarbans, ilay alanà honko lehibe indrindra eran-tany sady toerana isan'ireo Lovan'izao Tontolo Izao arovan'ny UNESCO, io tobin'herinaratra mandeha amin'ny arintany kasaina hatao io.
Hong Kong: Manaova Tsia Amin'ny Fivarotana Sy Fanaovana Taozavatra Amin'ny Haranify
Nidina an-dalambe ny vondron'olon-tsotra mahatsiaro voakasika sy ireo ONG, ny Hong Kong for Elephants, ny 4 Oktobra tany amin'ny tanàn-dehibe mba hiantso ny Governemantan'i Hong Kong hamotika manontolo ny tahirinà haranifin'elefanta milanja 25 taonina nogiazany.
Zokiolona Miady Amin'ny Fanorenana Andrin-jiro Any Amin'ny Tanànan'ny Korea Atsimo
Maro amin'ireo mponin'ny tanàna, izay mpiompy mananika ny 60 sy ny 70 taona, no nifikitra nandritra ny valo taona mahery ankehitriny, mitanisa izay mety ho fiantraikany amin'ny fahasalamana sy maneho ny hasarobidin'ny tanin'izy ireo eo imasony izay efa nipetrahany amam-polotaonany.
Fanangona-Tsonia An-Tserasera Nahavita Namotsotra Soka-Dranomasina tany Philippines
Nisy soka-dranomasina voababo natao hanintonana mpizaha tany ho fangalam-bola ny fakana sary azy. Mihoatra ny 1500 no nanasonia ho famotsorana ilay soka-dranomasina.
Miara-miasa Amin'ny InfoAmazonia ny Global Voices
"Ampiasao ho fitaovana izahay", niteny tamin'ny ekipan'ny Global Voices ny Mpandrindra ny Tetikasa sady Mpiara-miasa ao amin'ny Knight International Journalism Gustavo Faleiros rehefa nanome soso-kevitra ny hanompo ny vondrom-piarahamonin'ny mediam-bahoaka eo amin'ny resaka sarintany sy ny fijerena ny rakitra any Amazonia