Nosy Cayman : Ny Fahasimbana Entin'ny Sambo Mpitatitra Mpizahatany

(Marihina fa tamin'ny 9 Oktobra 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)

Miresaka fohifohy mikasika ny iray amin'ireo safidy sarotra izay atrehan'ny fizahantany ara-toekarena madinika ny mpisera Flickr George Chang ao anatin'ny fanazavana ity sary ato ity :

There are 6 cruise ships that you can see in this picture. They are anchored off of George Town in Grand Cayman, BWI [196 km²]. These ships actually do a lot of damage to the reefs with their anchors and chains. However, they are also a large revenue generator for the island.

Misy sambo mpitatitra mpizahatany miisa 6 hitanao eto amin'ity sary ity. Mifatotra ao amin'ny George Town ao Grand Cayman, BWI  [196 km²] izy ireo. Raha ny marina, mitondra fahasimbana betsaka ho an'ny vatohara ny vatofantsika sy ny rojovin'ireo sambo ireo. Na izany aza, mamelona ny fidiram-bola lehibe ho an'ny nosy ihany koa izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.