Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Oktobra, 2015
Rendrika anaty loto, ‘Reniranom-pako’ manemitra ny araben'ny renivohitr'i Libanona
Avy ny orana tao Libanona ary nivangongo manerana ny arabe nandritra ny volana maromaro ny fako ao Beirota, nivadika ho "reniranon'ny fako" ny araben'ny renivohitra.
Toy Ny Hoe Ranomandry, Nefa Dia Poizina Be ity Roatra Eo Ambonin'ny Farihy Bangalore ity
Ao amin'ny farihy antsoina hoe Bellandur no tena miforona ireo roatra ao Bangalore, India, farihy izay hatry ny ela no efa ivarinan'ireo rano maloto sy loto simika tsy nisy fikarakaràna sahaza akory.
Nitondra tondradrano sy fahasimbana ara-pambolena tamin'ny sompitr'i Philippines ny rivodoza Koppu
Koppu no rivodoza faharoa natanjaka indrindra nandona an'i Philippines tamin'ity taona ity. Ankilan'ny tondradrano sy fihontsahan'ny tany naterany, dia nosimbain'i Koppu ihany koa ny voka-pambolena tao amin'ny sompitry ny firenena.
Ataovy Veloma Ny Firindran'ny Tontolo Iainana Ao Amin'ilay Farihy Ela Indrindra Any Eoropa?
Loza mitatao ho an'ny fisian'ireo karazan-javaboahary maherin'ny zato tsy fahita firy sy an-dalam-pahataperana, manohintohina tanteraka ny firindran'ny zavaboahary ao amin'ilay farihy ela indrindra any Eoropa ireo drafitra fanomboarana vaovao ao amin'ny Valan-javaboahary Nasionaly Galichica any Makedonia.
Manao Hetsi-panoherana Ny Fanimbàna Ny Alan'i Prey Lang Ireo Moanina ao Kambodza
"Tsy afaka ny hangina ireo moanina amin'ilay olana anefa hita izao ny taha mampiahiahy amin'ny fandripahana ny ala."
Mifarimbona Hanarina Ny Takaitra Navelan'ilay Tafio-drivotra Tropikaly Erika i Dôminika
Tohin'ny Tafio-drivotra Erika, manana asa fanarenana goavana tsy maintsy atrehany i Dominika, toy ny fiezahany mba hamerina ny lazany maha- "Nosy Natiora" azy ao Karaiba.
Mandray Fepetra Hanakanana Ny Fandotoan'ny Zavo-tsetroka Ny Mpanjifa sy ny Mpikatroka Ao Singapaoro
"Amin'ny maha-mpanjifa, afaka mandray anjara amin'ny ady iombonana amin'ny fandotoan'ny zavo-tsetroka isika amin'ny alalan'ny fanjifana mahay misafidy sy tompon'andraikitra."
Takian'Ilay Fanentanana #StopLumadKillings (AtsaharoNyFamonoanaLumad) Ny Hiarovana Ireo Foko Manohitra Fitrandrahana Ao Atsimon'i Filipina
" Izy ireo no mpitondra ireo fomba amam-panao nentin-drazana tsy manam-paharoa teo amintsika. Mpamono ny fanahin'ny vahoakantsika izay mpamono azy ireo."