Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Septambra, 2013
Loza Mananontanona Ny Kianjan'i Tokyo Ny Lalao Olaimpika Hazakazaka Vohy Làkana
Maminavina ny hanorina kianja fanaovana fifaninanana mitaingin-dàkana ho an'ny lalao Olaimpika Tokyo 2020 eo i Tokyo sy ny Kaomity Olaimpika Japoney, na teo aza ireo 25 tana nanaovan'ny Kianja Kasai Rinkai ezaka fifanantonana hamerenana indray ny fahasamihafàn'ny zava-miaina efa very tao noho ny fandrosoana sy ny fandotoana.
Mampizarazara An'i Malezia Ny Sondro-bidin'ny Solika
Atahoran'ireo mpanara-maso hitondra mankany amin'ny sondro-bidim-piainana ny fiakaran'ny vidin-tsolika ao Malezia, raha ny sasany indray milaza fa ara-drariny ny fiakarana satria ny an'i Malezia no iray amin'ireo vidin-tsolika ambany indrindra eran'izao tontolo izao
Mivondrona ny artista breziliana hanavotana ny liona any Kenià
Ny artista breziliana dia manolotra ireo sanganasan'izy ireo ho an'ny hetsika fitadiavam-bola anohanana ny Tetikasa Ewaso Lions, izay natokana hanavotana ny liona any Kenià.
Lasa Sakafo Ny Niafaran'Ilay #SpyDuck Tao Ejipta
Takatra nampangaina ho dokotra sy mitondra fitaovana fitsikilovana nosamborina tao Ejipta ary niafara tany am-bilanin'ny fianakaviana iray tao Ejipta.
India : Taranaka Indizena Mihafongana ao Kerala
Dimy ambitelopo ny zaza ao amin'ny foko ao Attappady, India no maty tamin'ity taona ity noho tsy fanjarian-tsakafo.
Manao Fihetsiketsehana Ho Fiarovana Ny Valan-Javaboarim-Pirenena Yasuni i Ekoatera
Mitaky ny tsy hikitihana ny Valan-javaboahary Yasuni ny mpanao fihetsiketsehana roa herinandro taorian'ny fanambaran'ny Filoha Correa hanafoana ny tetikasa Yasuni-ITT.
Indonezia: Niverina ny Zavo-tsetroka
Niverina i Zavo-tsetroka! May ny ala ao Sumatra izay nampisy zavona be nanerana an'i Indonezia nandritra ny andro maro ary tonga hatrany Malezia izany
Tsy Takatry Ny New York Times Ny Loza Mety Ateraky Ny Taratra Ao Fukushima – Bilaogera Japoney
Mety handiso hevitra ny mpamaky ny fanafangaroana ny "taratra gamma" izay miditra haingana sy lalina amin'ny mason-koditry ny olombelona amin'ny "taratra beta" izay maivana kokoa sady tsy mora mitsofoka tahaka izany.
SARY: Solika Nitera-doza tao Cebu, Filipina
Nandrava ny fiainan'ireo mpanjono marobe ao an-tanàna kely ny solika raraka avy amin'ny sambo iray nilentika. Nampiasa volo, hodi-boanio sy volomborona ny mponina mba hifehezana ny solika raraka