Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Febroary, 2015
Mety Ho Avotry Ny ‘Big Data’ Ve Ireo Tigra Mpiriorio Sisa Any India ?
Amin'ny fandalinana ireo fandinihana 25.000 nataon'ny tsirairay dia mahita hirika hisamborana ireo mpihaza tigra antsokosoko amin'ny làlany ny mpiaro ireo biby mpiriorio.
Manamarika Ny Fanombohan'ny Aretin'andoha Rehefa Lohataona Ny Fahatongavan'ny Vovoka Mavo Ho An'i Japana
Miaina ny androny voalohany isian'ny "vovoka mavo" amin'izao fizaràn-taona izao i Fukuoka ao Japana, volana telo mialoha ny tokony ho izy.
Mitsangantsangàna Eny Amin'ireo Lalankely Ao Japana
Nanatevina laharana ny hetsika Slow TV i satobo3104, mpampiasa YouTube, ary nampakatra lahatsary mirakitra ireo fitsangantsangànana namakivaky ireo tanàna tranainy manodidina sy manerana an'i Japana.
Tafiotram-Pasika Nanempotra Namely An'i Iran
Noresahan'i Arseh Sevom tamin'i Sam Khosravi, mpikaroka momba ny tontolo iainana ny momba izay niavian'ireo tafiotram-pasika mamely an'i Iran sy izay mety ho vahaolana.
Hetsi-piarahamonina 5 Nahavitra Nampiato Ireo Orinasa Mpitrandraka Solitany
Manomboka ao Maule, Shily hatrany an-tanànan'i Aostralia, Marrickville, miady amin'ny fitrandrahana angovo ankibon'ny tany ho fiarovana ny fiarahamoniny ny mponina
Ny Fomba Fiaina Munduruk, Tandindonin-doza Noho Ny Asa Fanorenana Tohodrano Ao Brezila
Ampahany faharoa amin'ny firesahan'ny Agência Pública momba ny vahoaka ao Sawré Muybu, faitra iray hoakotry ny rano ao Brezila raha miroso ihany ny asa fanamboarana tohodrano hakàna herinaratra.
Tondra-dranon'ny Tapa-Taonjato — Nefa Mety Mbola Tsy Henonao Mihitsy
Efa namindra olona manakaiky 200.000 ao Malawi ny tondra-drano, namotika ny vokatra ary nitondra ahiahy amin'ny mety isian'ny aretina. Ao amin'ny faritra mora tratran'ny tondra-drano, mbola mety ho ratsy kokoa ny hoavy.
Ekoatera Miloko Mavo Mahafinaritra
Ny famonin'ny hazo Guayacan dia midika fa tonga ao Ekoatera ny lohataona, izay mitondra olona an'arivony manerana izao tontolo izao ho tonga ao amin'ny fandravahana ara-boajanahary marevaka indrindra ao amin'ny faritra.
Angona Momba Ny Ebola: Alahatry Ny Fikambanan'ny Bilaogera Ao Guinée Amin'ny An'ny Governemanta Ny Azy Ireo
"Ho any ady atao amin'ilay valanaretina, mazava fa kitsapatsapa ny fomba iatrehan'ny manampahefana azy, ary hatrany amboalohany no tsy nahomby ny fampitàm-baovao."