Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2015

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Novambra, 2015

Tetikasa Mapping for Niger : Ny Tantarany sy ny Vinavinany

Mitantara ny fiandohan'ny tetikasa Mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera sy ny hoaviny i Fatiman Alher.

COP21 : Fanadihadiana Nataon'ny Eoropeana Amin'ny Fiteny Maro, “Ireo Paradisa Lalàintsika”

Fanadihadiana iray safatsiroa, tena nifandrimbonana, momba ireo 'zoron'ny paradisa' mila arovana, na vonjena.

Fantaro Ireo Mpikatroka Telo Avy Ao Afrika Avaratra Miady Amin'ny Fikorontanan'ny Toetr'andro

Eo anelanelan'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny haintany miha mahazo laka, ao anaty toe-javatra atahorana i Afrika Avaratra. Tahaka izao no fanoheran'ireo mpikatroka telo ny fikorontanan'ny toetrandro.

Peroviana Mpanao Gazety Notolorana Ny Loka Tamin'ny Fifaninanana Momba Ny Fiovàn'ny Toetrandro

Iray amin'ireo nahazo ny loka tamin'ny fifaninanana Voices2Paris ilay Peroviana mpanao gazety, Pilar Celi Frías, voafidy tao anatin'ireo lahatsoratra 130 momba ny fiovàn'ny toetrandro avy any aminà firenena 40 nandray anjara.

Mamely Indray Ny Avaratra-Atsinanan'i Shina Ny Airpocalypse

Rakotra setroka mampidi-doza ireo tanàndehibe maro ao Liaoning, isan'izany ny renivohiny, Shenyang, izay tonga amin'ny fetra farany ambany ny firaketana ny kalitaon'ny rivotra ao an-toerana, in-130 voatilin'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna (OMS) ho ambanin'ny refy heverina fa tsy mampidi-doza.

Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina

Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina