Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2016
28 Aogositra 2016
Misokatra Tarihin'ny Shaman Ho Amin'ny Fizahantany Ara-Tontolo Iainana Indray Ny Tendrombohitra Avo Indrindra Ao Brezila
Hosokafana indray ny làlana mankany amin'ny tendrombohitra avo indrindra ao Brezila amin'ny 2018 rehefa nakatona ho an'ny mpizaha tany nanomboka tamin'ny 2003 ary hokarakarain'ireo olona tompontany manokana.
26 Aogositra 2016
Asehon'Ireto Lahatsary Ireto ny Fahalotoana sy ny Faharavana Ateraky ny Fitrandrahana Goavana ny Harena An-kibon'ny Tany ao Filipina
Mampiasa finday ary tonga hatramin'ny fampiasana tantelimby (drone) ireo mpanangom-baovao sy mpanao gazety fanadihadiana hampisehoana ny fandravana ateraky ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany amin'ireo riandrano sy ony ao amin'ny firenena.
18 Aogositra 2016
Sary: Mizara Fijery Iray Tsy Fahita Maneho Ny Fireneny Ity Mpitondra Fiaramanidina Bangladeshi ity
"Mpanamory fiaramanidina no asako ary ny sary no fahafinaretako. Miezaka ny hampiseho ny tany niaviako avy eny amin'ny habakabaka aho, mizara ireo endriky ny tontolo iainana mahafinaritra, sy mahatalanjona miaraka amin'ny olon-drehetra fantatro.''
14 Aogositra 2016
Andalam-piarenana indray Ireo Honahonan'i Iràka Saika Rotika Fony Fitondran'i Saddam
Ireo faritra mando ao atsimon'i Iraka, ankehitriny dia lasa Toerana Lovan'izao Tontolo izao arakla ny Firenena Mikambana, mandrakotra velarantany an'arivorivony kilaometatra toradroa any afovoan'ny tany efitra.
12 Aogositra 2016
Na Eo Aza Ny Fahasimbàna Vokatry ny Tondra-drano, Mbola Mandany An-tapitrisany Amin'ny Kodiarana Lehibe Ihany Ny Governemanta Makedoniana
Farafahakeliny 21 ireo maty, ary ampolony ireo tsy hita sy naratra, tamin'ilay tondradrano nikapoka an'i Skopje renivohitr'i Makedonia, taorian'ireo orambe nivatravatra ny 5 Aogositra.
04 Aogositra 2016
Kanefa, Nisy Mpiaro Tontolo Iainana Iray Hafa Indray Novonoina Tany Honduras. Rahoviana Izany No Hifarana ?
"Takianay ny hanatsaharan'ny governemanta eto Honduras ny famonoana ireo mpikatroka mafana fo mpiaro ny tontolo iainana. Atsaharo ny famonoana anay nohon'ny fiarovanay ny zonay.."
03 Aogositra 2016
Mihamafy Ny Antso Fanaovana Fanadihadiana Amin'ny Faneriterena Atao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Tharu Any Amin'ny Farany Andrefan'i Nepal
"Voalohany, nalaina ny tanin'izy ireo, avy eo ny fahalalahana miaina, ary izao, kendren'ireo vato nasondrotry ny tany mpanavakavaka ireo ho foanana ny Tharus"
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...