Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Janoary, 2015
Tandindonin-doza Noho Ny Fisian'ny Solika Mainty Ny Sundarbans Any Bangladesh
Mitaky ny fandraisan'ny governemanta fepetra matanjaka ireo mpanao fihetsiketsehana. Na eo aza izany, rehefa tsy misy fepetra mahomby raisin'ny governemanta dia tsy maintsy mbola hiantehitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Bangladesh amin'ity olan'ny tontolo iainana ity.
Filipina : An'Aliny Ireo Mitaky Ny Rariny Ho An'ireo Niharam-Boina Tamin'Ilay Rivodoza Haiyan
"Mitomany ry zareo isaky ny mitantara ny tantarany. Tsy noho ny famoizana olo-malala sy fananana kely nandritra ny rivodoza fotsiny"
Mety Ho Lany Taranaka Ny Lamàtra Mena Noho Ny Fitiavan'ny Japoney Azy
Nataon'ny Fikambanana iraisam-pirenena Mitahiry ny Zava-boahary ho ao anaty lisitra menan'ny karazana efa ho lany taranaka ny lamàtra mena. Japana no mandany ny ampahefatry ny lamàtra jonoina maneran-tany.
Mamorona Jingles Fanao Amin'ny Radio ny Tanora Breziliana Hampiroboroboana Ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Amazonia
Mandray andraikitra amin'ny alalan'ny tetikasa radio ny tanora ao amin'ny fiarahamonin'i Amazonia Breziliana, Cabelo Seco tohanan'ny Rising Voices, mba hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra amin'ny alalan'ny fitaovana nentim-paharazana, nomerika sy zava-baovao.
Fanoherana Tetikasa Shinoa Fitrandrahana Varahina Nahafatesana Iray sy Naharatràna Maro Tao Myanmar
Namoy ny ainy ilay ramatoa 56 taona mpamboly tamin'ny fifandonana nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny tetikasa fitrandrahana mampifanditra tao Myanmar, voalaza fa maty voatifitry ny polisy izy.