Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Desambra, 2014
Maherin'ny 120.000 Ny Nafindra Toerana Satria Tratry Ny Tondradrano Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Ampolo Taona i Malezia
Niteraka tondradrano tany amin'ireo fanjkàna any atsinanan'i Malezia ireo oram-batravatra tany. Nampiasain'ireo mpisera ety anaty aterineto ny media sosialy mba hanaraha-maso ny fiantraikan'ilay loza voajanahary sy handrindràna ny asa famonjena sy fanavotana.
Ny Lesona Azon'ny Hetsika Erantany Momba Ny Toetrandro Tsoahana Avy Ao Amerika Latina
"Manana an'ity hetsika goavana ity i Amerika Latina, izay mazàna no tsy mitonona ho hetsika momba ny toetrandro, nefa ny zavatra ataon-dry zareo dia ampahany tanteraka amin'ireo tolona ho fanoherana ny fiovaovàn'ny toetrandro."
Mikasa Hanampy Ireo Firenena Hafa Hiady Amin'ny Fandripahana Ala ao Amazonia i Brezila
Nanambara drafitr'asa hanatanterahana rafi-panarahamaso ireo firenena hafa ao Amazonia ny governemanta Breziliana nandritra ny COP (Kaonferansa faha-20 momba ny Fikorontanan'ny Toetr'andro) notontosaina tao Lima, Però.
Diaben'ny Toetrandro Goavana Indrindra Tao Amerika Latina: An'arivony Mameno Ny Araben'i Lima
Niara-dàlana nanao diabe tao Lima ireo vondrom-piarahamonina indizena, mpiompy, mpiasa, mpitrandraka harena ankibon'ny tany, vondron'ny tanora hatramin'ny vondrona ara-pinoana, mba hitaky "Fiovàn-drafitra. Fa tsy Fiovàn'ny Toetrandro". Topazo maso anie e.
Mila Fanavotana Mafy Ireo Tigra Ao Azia Atsimo Atsinanana
Antony mampihena ny isany'ny tigra dia ny fahasimbàn'ny ala sy ny fihazàna azy. Miady ny hisintonana azy ireny amin'izany hantsana izany ireo fikambanana samihafa.
Vao Manomboka Ny Ririnina Lavabe Ao Japana
Toetrandro ririnina tokony ho any amin'ny Febroary vao ho hita no efa mamely an'i Japana izao, miteraka fahasarotana ho an'ny familiana fiara, tontolo rakotra ranomandry