Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Janoary, 2008

Brezila: ny fandripahan'alan'i Amazona sy ny ampitso

“Raha tianao ho fantatra izay hitranga amin'ny faritry Amazonia (miaraka amin'ny renirano) raha mbola tsy atsahatra izao fandripahan'ala izao dia azonao jerena ny fivoarany amin'ny alalan'ny fanandramana hitsinjo mialoha nataon'ny Institute of Environmental Research (na sampan-draharaham-pikarohana momba ny tontolo iainana) miorina any Amazonia, miaraka amin'ny Federal University of Minas Gerais (Oniversite federalin'i Minas...

Fampandrosoana maharitra : Samy be kabary daholo, fa tsy arahin'asa

Blog d'hiver [“Blog des quatre saisons” no anarany hafa] izay soratan'ny namana Malagasy iray dia maneso ireo seminera sy kôlôky momba ny fampandrosoana maharitra izay “tsy misy fitsaharana” mihitsy : Ces incessants séminaires et colloques sur le développement durable, organisés par des administrations ou des collectivités, et souvent financés par...

Tadzikistana : Tsy ho ela intsony dia “hangotraka” ny tsy fahampian'ny tolotra angovo

Vadim no mitatitra fa manomboka amin'ny voaloamboalohan'ny volana Febroary io dia hitombo ireo olana ara-herin'aratra any Tadzikistana : I know from people who read this article that water in Nurek reservoir will be enough to generate electricity only until 8th of February. “Henoko tamin'ny mpamaky io lahatsoratra io fa ny...

Costa Rica: Filaharana fiarovana tontolo iainana

Filaharana fahadimy manerantany i Costa amin'ny fiarovana na fitsimbinana ny tontolo iainana manerantany nefa voalohany kosa raha any amin'ny Kaontinanta Amerikana, hoy ny tondro fijerena ny fiarovana ny tontolo iainana navoakan'ny Oniversite Yale sy Columbia. Nireharehan'i mpamaham-bolongana ao amin'ny Out of Costa Rica [es] io valin'ny fanadihadiana nijery ny politikan'ny firenena...

Borkina Fasô : fomba, fety ary boky vaovao

Samy manana ny fotoany avokoa na ny andro sahaza ho azy avokoa ny zava-drehetra, hoy ny voasoratra ao amin’ny baiboly araka ny Bokin’ny Mpitoriteny (sy ny hiran’ny mpihira rock amerikana tamin’ny taom-polo 1960 the Byrds). Misy ny andro ahaterahana. Misy ny andro ahafatesana. Zavamisy mpitranga any Borkina Fasô izany tahaka...

Mozambika : Raharaha fanapahana ala tsy ara-dalàna hafa

Carlos Serra no mitatitra ity raharaha nahasaronana fanapahana ala tsy ara-dalàna izay nokasaina haondrana ivelan'i Mozambika ity. Tamin'ity indray mitoraka ity dia fiara vaventy fito nitondra hazo folo taonina isany no saron'ny Polisy Mozambikana tany amin'ny faritry Meconta. Ny fanapahana ala tsy ara-dalàna amin'ity firenena ity dia resaka tsy ankijanona...

Manao antso avo ny nahazo ny loka Nobel momba ny tontolo iainana

Hita ao amin’ny Pambazuka: fa manao antso avo hanoherana ny famoizana aina sy fananana any Kenya ny Prof. Wangari Maathai, izay efa nahazo ny loka nobel momba ny tontolo iainana. “ Efa nolazainy kosa fa efa nisy tantarany ny fisamatsamahana, nandamoka tamin’ny fifampiraharahana tamin’ny mpamporisika sy ny mpanakorontana. Nolazain’ny Prof...

Kioba : Fifidianana sy ethanol

Manorotoro ny fomba fifidianana ny mpikambana parlemanta Kiobana i Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) ary indro kosa ny nampitain’i The Cuban Triangle  mikasika ny “fiaraha-miasa ara-toe-karena eo amin’ny Kioba sy Venezoela vokatry ny fifanarahana hiaraka hanao tetiksa miisa 76 mitentina $1.300.000.000 nosoniavina omaly.”

Bolivia: Coca amidy ao amin'ny tsenan'ny Villa Fatima

Tany La Paz, Bolivia, no nahitan'i Ruxandra Guidi raha nitsidika ny tsenan'i Villa Fátima izy fa ao amidy malalaka ny coca. Tao amin'ny Untold Stories avy amin'ny Foibe Pulitzer momba ny olana amin'ny fampitambaovao no nakana ny lahatsoratra. (hoy ny mpandika teny: tongava aty Antananarivo ianao fa ny Cola indray no...

Afrika Atsimo : Vehivavy mpamboly “bio”

Manapariaka lahatsary i Nubian Cheetah izay ahitana ireo vehivavy mpamboly “bio” any Afrika Atsimo: The women in the the Fezeka community in Gugulethu, South Africa are growing organic foods and selling them at market prices.” “Ireo vehivavy anivon'ny fiaraha-monina Fezeka any Gugulethu, any Afrika Atsimo dia mamboly “bio” [manaja ny...