Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Aogositra, 2021
Ny nahatonga ny toeram-pilomanosana iray ho marika amantarana ny fiovan'ny toetrandro sy ny kolikoly ao Pôrtô Rikô
Lazain'ireo mpitsikera ny dobo filomanosana iray rava nandritra ny tafiotra mahery Maria tamin'ny 2017 fa ho averina haorina indray izy io, na mifanipaka amin'ny fepetra mifehy ny ara-tontolo iainana ao Pôrtô Rikô aza.
Mamely mafy an'i “Khuzestan main'ny hetaheta” ny fanjakana iraniana
Telo taona lasa izay, nipoaka tao Khuzestan, faritra manankarena indrindra ao Iran, ny hetsika anoherana ny tsi-fisian-drano. Tahaka ny amin'izao fotoana, hery no avaly ny fitakiana noho ny fanakianan'ny mpanao fihetsiketsehana ny kolikoly sy ny tsi-fahaiza-mitantana ataon'ny governemanta.
‘Maohi Lives Matter': Manameloka ny andrana nokleary ataon'ny Frantsay ny mpanao fihetsiketsehana any Tahiti
"Raha ny kajikajy nataonay, avy amin'ny fanombanana ara-tsiantifika araka ny fatra voaray, dia olona eo ho eo amin'ny 110.000 eo no tratra, saika ny vahoaka Polinezianina iray manontolo tamin'izany."
Orsa volontany Japoney mirenireny eny an-tanàna lehibe indrindra ao amin'ny nosy Hokkaido
Mampiseho ny fitomboan'ny fifampikasohana eo amin'ny orsa sy ny olona any Japana ny zava-nitranga.