Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Jona, 2022
Mongolia: fanentanana ilaina momba ny fandotoana mba hialàna amin'ny fahasimbàna lehibe kokoa
Miatrika olan'ny fandotoana vokatry ny tsy fisiana fanentanana ny mponina momba ny resaka tontolo iainana i Mongolia, firenena midadasika sy tsy dia be mponina.
Valanjavaboary nasiônaly vaovao ao Makedônia Avaratra, iharan-doza noho ireo tetikasam-pampandrosoana mitohy
Taona iray taorian'ny nanambaràn'ireo manampahefana fa hametrahany valanjavaboary vaovao ao Makedonia Avaratra, manao fahirano an'ilay toerana ireo mpamokatra herinaratra manosika hankamin'ny fanorenana foibe famokarana herinaratra ao anatin'ilay vala.
Vondrona ao Pasifika mankalaza ny herinandron'ny ranomasina amin'ny fanoherana ny fitrandrahana any an-dranomasina lalina any
Vondrona isankarazany ao Pasifika no nankalaza ny Herinandron'ny ranomasina sy Andron'ny Ranomasina tamin'ny 8 Jona, tamin'ny fanaovana antso handavana ny fitrandrahana anaty ranomasina lalina (DSM) ao amin'ny faritra.
Andro Erantany ho an'ny Ranomasimbe, an-tsary avy any Trinidad sy Tobago
Amin'ny Andro Erantany ho an'ny Ranomasimbe 2022, izay ny fanomezana aina indray no tanjona, dia mampahatsiahy antsika ny antom-pisian'ny ranomasimbe sy ny hatsarany ireo sary, izay manentana ny filàna hetsika iombonana hiarovana amim-pahombiazana azy ireny.
Ao anatin'ny haintany sy ny krizin'ny toetrandro, atrehan'ny Fanjakana Meksikàna ao Querétaro ny mety handraisain'ny tsy miankina ny ranony
Misintona lakolosy momba ny olana aterak'ireo volavolan-dalàna roa izay mety hitarika ny fandraisan'ny tsy miankina ny asam-panjakàna mahakasika ny rano, ireo mponina sy ireo mpikatroka ao Querétro, Fanjakana Meksikàna iray miatrika ny krizin'ny haintany.